1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«قَالَ اللَّهُ عَزَّ وَجَلَّ: يُؤْذِينِي ابْنُ آدَمَ يَسُبُّ الدَّهْرَ وَأَنَا الدَّهْرُ، بِيَدِي الأَمْرُ أُقَلِّبُ اللَّيْلَ وَالنَّهَارَ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4826

Ny fanazavana

Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Tsitoha dia miteny ao amin'ny hadith masina manao hoe : Manimba sy manao tsinontsinona Ahy ny olona manozona sy manao tsinontsinona ny fotoana iavian'ny loza sy ny ratsy; Satria Izy ilay be Voninahitra, Izy irery ihany no mitantana sy mandrindra ny zava-mitranga. Ny fanompana ny fotoana dia fanozonana an’I Allah Tsitoha, ary ny fotoana dia zavaboary voafehy, izay misy ny zava-mitranga avy amin’ny didin’I Allah Tsitoha.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity Hadith ity dia anisan'ny notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ary antsoina hoe hadith Al-Kodsi (masina) na avy amin'I Allah ny teniny sy ny heviny, fa tsy misy aminy kosa ireo zavatra mampiavaka ny Kor'any amin'ny zavatra hafa, toy ny fanompoana ny famakiana azy, mila madio rehefa mandray azy, ny fanamby, ny fahagagana ananany, sy ny hafa ankoatr'izany.
  2. Ny fahalalam-pomba eo anatrehan’I Allah Tsitoha amin’ny teny sy ny finoana.
  3. Voadidy ny finoana ny anjara sy ny lahatra, ary ny faharetana manoloana ny loza.
  4. Fanimbana hafa ankoatry ny loza; Manelingelina ny olona iray ny mandre na mahita zavatra ratsy; Saingy tsy mampaninona azy izany, ary manelingelina azy ihany koa ny fofona ratsy toy ny tongolobe sy tongolo lay, saingy tsy manimba azy izany.
  5. Allah Tsitoha dia voalingelina amin'ny sasany amin'ireo asa ratsy ataon'ny mpanompony, fa Izy, Ilay Avo Indrindra, dia tsy voan'ny ratsy amin'izany, araka ny voalazan'I Allah Tsitoha ao amin'ny hadith masina hoe : "Ry mpanompoko, tsy hahatratra Ahy na oviana na oviana ny ratsy ataonareo amiko, ary tsy hahazo tombony na oviana na oviana Aho amin'izay ataonareo".
  6. Mizara telo ny fanevatevana sy fanoritsoritana ny fotoana : 1- Manozona ny fotoana toy ny hoe izy ilay nanao izany; Ary tonga ny fotoana hamadihana ny zavatra ho tsara sy ratsy! Izany dia fanompoan-tsampy lehibe tokoa; Satria nino izy fa misy Mpamorona miaraka amin’I Allah, ary noho izy nilaza ny famoronana zava-nitranga tamin’ny olona hafa ankoatra an’I Allah 2-Manozona ny fotoana fa tsy noho ny finoany fa Izy no nanao izany; Mino kosa izy fa Allah no nanao izany, nefa nanozona Azy satria Izy no loha-hevitra amin’ity raharaha maharikoriko Azy ity. Voarara izany 3-Mihevitra vaovao madio tsy misy tsiny; Azo atao izany, ary avy amin'izany ny tenin'i Lota (A.S) hoe : {Ary hoy izy : Andro sarotra izao}.

Fanehona ny dikanteny

41 Ny teny
EN English Anglisy
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية