1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany

عن أبي هريرة رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«أَتَدْرُونَ مَا الْغِيبَةُ؟»، قَالُوا: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «ذِكْرُكَ أَخَاكَ بِمَا يَكْرَهُ»، قِيلَ: أَفَرَأَيْتَ إِنْ كَانَ فِي أَخِي مَا أَقُولُ؟ قَالَ: «إِنْ كَانَ فِيهِ مَا تَقُولُ فَقَدِ اغْتَبْتَهُ، وَإِنْ لَمْ يَكُنْ فِيهِ فَقَدْ بَهَتَّهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abu Houraira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Fantatrareo ve ny atao hoe Fifosana? ” Hoy izy ireo namaly hoe : “i Allah sy ny Irany no tena mahalala". Hoy Izy (S.A.W) hoe : «Ny fitenenanao momba ny namanao amin’ny zavatra izay tsy tiany» Hoy izy ireo hoe : ka ahoana raha misy amin'io rahalahiko io ilay zavatra nolazaiko. Namaly Izy (S.A.W) hoe : “Raha misy aminy tokoa izay nolazainao, dia efa nifosa azy ianao, fa raha tsy misy aminy kosa izany, dia efa nanendrikendrika azy ianao”.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2589

Ny fanazavana

Manazava ny marina momba ny fifosana izay voarara ny Mpaminany (S.A.W), izy io dia : Fitenenana ny mpino silamo iray ny zavatra tsy tiany amin'ny tsy maha eo azy, na iray amin'ireo toetrany ara-moraly na voajanahary, toy ny : Toka-maso, mpamitaka, mpandainga, ary toetra hafa azo melohina, na dia efa ao aminy aza izany toetra izany.
Fa raha tsy ao aminy ilay toetra, dia ratsy kokoa noho ny fifosana izany, dia ny fanendrikendrena, izany hoe : manendrikendrika olona amin'ny zavatra tsy misy aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampianarana tsara avy amin'ny Mpaminany (S.A.W), rehefa nanolotra fampianarana tamin'ny alàlan'ny fametrahana fanontaniana.
  2. Fananan'ireo mpanaradia ny fitondran-tena tsara manoloana an'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny hoe : Allah sy ny Irany ihany no tena mahalala.
  3. Valitenin'ireo nanontaniana rehefa tsy mahafantatra dia ny hoe : Allah no tena mahalala.
  4. Fiarovana ny lalàna Islamika ho an'ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fiarovana ny Zo sy ny firahalahiana eo amin'izy ireo.
  5. Voarara ny fifosana afa-tsy amin’ny toe-javatra sasany noho ny tombotsoa manokana. Tafiditra ao anatin’izany : fanakanana ny tsy rariny, ka ny voambaka no mitantara momba ilay nanambaka azy amin'ny olona mahavita manampy azy haka ny zony, ka miteny izy hoe : Nanambaka ahy ranona, na nanao an’izao sy izao tamiko, ary anisan’izany koa : Fifampidinihana mikasika ny fanambadiana, fifampizarana, na ny manodidina, sy ny sisa.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
RN Kirundi الكيروندي
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية