1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.”

عَنْ عِمْرَانَ بْنِ حُصَيْنٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«خَيْرُكُمْ قَرْنِي، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ» قَالَ عِمْرَانُ: لاَ أَدْرِي أَذَكَرَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَعْدُ قَرْنَيْنِ أَوْ ثَلاَثَةً، قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ بَعْدَكُمْ قَوْمًا يَخُونُونَ وَلاَ يُؤْتَمَنُونَ، وَيَشْهَدُونَ وَلاَ يُسْتَشْهَدُونَ، وَيَنْذِرُونَ وَلاَ يَفُونَ، وَيَظْهَرُ فِيهِمُ السِّمَنُ».

Tatitra azo avy tamin'i Imran Ibn Hoswain (R.A) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.” Hoy i Imran : Tsy fantatro na niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe afaka roa na telo taonjato. Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary ao aorianareo dia hisy olona hamadika ka tsy hatokisana, izay ho vavolombelona hanambara nefa tsy nangatahina fijorona vavolombelona, izay hampitandrina nefa tsy hatokisana hihena, ary hisy tavy hiseho ao aminy.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 2651

Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny sokajin'olona tsara indrindra miangona ao anatin'ny vanim-potoana iray dia ny vanim-potona izay misy ny irak'Allah sy ny mpiara-dia aminy, avy eo ireo manaraka azy, izay misy ireo mpino nihaona tamin’ireo mpanaradia nefa tsy nihaona tamin’ny irak’Allah, dia ireo nanaraka azy ireo izay mpanara-dia ireo mpandimby azy dia nisalasala ny filazana ireo mpanara_dia azy ireo tamin’ny taonjato fahefatra. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : Aorian'izy ireo dia hisy olona hamadika ary tsy matoky azy ireo ny olona, izy ireo hijoro vavolombelona mialohan'ny angatahana ny fijoroana vavolombelona aminy, ary mihoapefy amin'ny sakafony sy ny fisotrony mandra-pisehony ny matavy loatra ao aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny taonjato sy ny taranaka tsara indrindra teo amin'ny fiainan'izao tontolo izao dia ny taonjato niainan'ny Mpaminany sy ny mpiara-dia aminy ary ho azy ireo anie ny fiadanana, izay nilazany hoe : “Nirahina aho amin'ny taonjato tsara indrindra teo amin'ireo taranak'Adama taonjato nifandimby, mandra-pahatongan’ny tanonjato niainako ity.”
  2. Hoy I Ibn Hajar : Ity hadith ity dia milaza fa ny mpanara_dia dia tsara kokoa noho ny mpandimby azy ireo, ary ny mpandimby dia tsara kokoa noho ny mpandimbin'ny mpandimby, kanefa moa ve izany fahatsarana izany mifandray amin'ny vondron'olona sa ny tsirairay? Ny lohahevitry ny fikarohana, ary ny faharoa ho an'ny besinimaro.
  3. Manondro ny ilàna ny fanarahana ny làlan’ireo taonjato telo voalohany; Na iza na iza akaiky ny fotoanan'ny faminaniana dia mendrika kokoa ny hasina sy ny fahalalana ary ny fanarahana ny soridalan'ny Mpaminany (S.A.W).
  4. Voady : Nodidin’ny olona ny tenany tsy maintsy mankatò izay tsy nasain’ny Mpanome lalàna hataony amin’ny teny rehetra milaza izany.
  5. Fanamelohana ny famadihana, ny tsy fanatanterahana voady, ary ny firaiketam-po amin'izao tontolo izao.
  6. Fanamelohana ny fijoroana vavolombelona tsy nangatahina raha fantatry ny olona manan-jo izany, fa raha tsy fantany kosa, dia tafiditra ao anatin’ny fitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Tsy hambarako aminareo va ny tsara indrindra amin’ireo maritiora izay mitondra ny fijoroany vavolombelona alohan'ny angatahana azy?" Notantarain'ny Moslim.

Fanehona ny dikanteny

41 Ny teny
EN English Anglisy
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية