1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao?

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ اللَّهَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى يَقُولُ لِأَهْلِ الجَنَّةِ: يَا أَهْلَ الجَنَّةِ؟ فَيَقُولُونَ: لَبَّيْكَ رَبَّنَا وَسَعْدَيْكَ، فَيَقُولُ: هَلْ رَضِيتُمْ؟ فَيَقُولُونَ: وَمَا لَنَا لاَ نَرْضَى وَقَدْ أَعْطَيْتَنَا مَا لَمْ تُعْطِ أَحَدًا مِنْ خَلْقِكَ؟ فَيَقُولُ: أَنَا أُعْطِيكُمْ أَفْضَلَ مِنْ ذَلِكَ، قَالُوا: يَا رَبِّ، وَأَيُّ شَيْءٍ أَفْضَلُ مِنْ ذَلِكَ؟ فَيَقُولُ: أُحِلُّ عَلَيْكُمْ رِضْوَانِي، فَلاَ أَسْخَطُ عَلَيْكُمْ بَعْدَهُ أَبَدًا».

Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodrio (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
“Tompo Allah dia hiteny amin’ny mponin’ny Paradisa hoe : Ry vahoakan'ny Paradisa ô!? Hoy izy ireo : Eny, mamaly ny antsonay ry Tomponay, dia hoy I Allah : "Moave afa-po ianareo? Hoy izy ireo : “Nahoana izahay no tsy afa-po rehefa nomenao izay tsy nomenao na iza na iza teo amin’ny zavaboarinao? dia hoy I Allah : Homeko zavatra tsara noho izany ianareo, hoy izy ireo : Tompo ô! Inona indray no zavatra mihoatra izany? Dia hoy Izy : Omeko anareo ny fifaliko, ary tsy ho tezitra aminareo Aho intsony intsony aorian’izany.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6549

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah Ilay Tsitoha dia hiteny amin'ny mponin'ny Paradisa rehefa ao anatiny izy ireo : Ry olon'ny Paradisa, dia mamaly azy izy ireo manao hoe : Eny mamaly ny antsonao ry Tomponay, Faly Aminao izahay. Ary hoy Izy tamin'izy ireo : Afa-po ihany va ianareo? mamaly izy ireo : Eny, afa-po izahay; Nahoana izahay no tsy ho afa-po rehefa nomenao izay tsy mbola nomenao na ny iray tamin'ireo zavaboarinao! Dia hoy Allah Ilay Tsitoha : Moa ve homeko zavatra tsara noho izany ianareo? Hoy izy ireo: Tompo ô! Inona no tsara noho izany?! Dia hoy Allah : Ampidiniko aminareo ny fifaliko; ary tsy ho tezitra aminareo mihitsy Aho aorian’izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tenin'Allah Tsitoha miaraka amin'ireo vahoakan'ny Paradisa.
  2. Vaovao mahafaly avy amin’i Allah ho an’ny olona ao amin’ny Paradisa fa hankasitrahany izy ireo, fa ho faly amin’izy ireo Izy, ary tsy ho tezitra amin'izy ireo mihitsy.
  3. Ho afa-po ny tsirairay amin’ny toe-piainany ao amin’ny Paradisa na dia eo aza ny fahasamihafan'ny toerana misy azy sy ny ambaratongany; Satria teny tokana no navalin’ny rehetra, dia ny hoe : “Nomenao anay izay tsy nomenao na iza na iza tamin’ny zavaboarinao”.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية