1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika

عن أبِي هريرة رضي اللَّه عنه: سمعتُ النبِيّ صلى الله عليه وسلم يقول:
«الفِطْرَةُ خمسٌ: الخِتَانُ والاستحدادُ وقصُّ الشَّارِبِ وتقليمُ الأظفارِ وَنَتْفُ الآبَاطِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (RA) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Ny voajanahary dia zavatra dimy : Ny famorana, ny fanadiovana ny volo miafina, ny fanapahana ny volombava ambony, ny fanalana ny hoho, ary ny fanongotana volokelika.."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5891

Ny fanazavana

Nanazava ny fomba dimy amin'ny finoana Islam sy ny fomban'ireo iraka rehetra ny Mpaminany (S.A.W) :
Ny voalohany amin'izy ireo : Famorana, izany dia ny fanapahana ny hoditra mihoatra eo amin'ny filahiana eo ambonin'ny lohan'ny filahiana, ary fanapahana ny lohan'ny hoditra eo amin'ny fivavian'ny vehivavy eo ambonin'ny toerana fampidirana.
Ny faharoa : Fanadiovana henatra, izany dia ny fanapahana ny volovolo manodidina ny henatra aloha.
Fahatelo : Fanapahana ny volombava ambony, izany dia ny fanapahana izay maniry eo ambonin'ny molotra ambony ka noho izany dia miseho ny molotra.
Fahefatra: Fanapahana hoho.
Fahadimy : Fanongotana volokelika.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fomba amam-panaon'ireo Iraka izay tian'Allah sy ankasitrahany, ary didiny ny fanatanterahana azy, dia miantso mankany amin'ny fahalavorariana sy fahadiovana ary hatsarana.
  2. Ny maha-ara-dalàna ny fahazarana manao ireo zavatra ireo, ary tsy azo hatao tsirambina izany.
  3. Ireo zavatra ireo dia ahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany, ao anatin’izany ny : fanatsarana ny bika aman’endrika, ny fanadiovana ny vatana, ny fitandremana ny fahadiovana, ny fihavahana amin'ny tsy mpino ary ny fankatoavana ny didin’Allah.
  4. Misy fanampiny hafa voalaza any amin'ny hadith hafa momba ireo fombafomba voa-janahary ankoatra ireo dimy voalaza, toy ny : famelana ny somotra, fampiasana siwàk, sy ny hafa ankoatr'izany.

Fanehona ny dikanteny

61 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية