1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.”

عَنْ زَيْنَبَ بِنْتِ جَحْشٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْها أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ دَخَلَ عَلَيْهَا فَزِعًا يَقُولُ:
«لاَ إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَيْلٌ لِلْعَرَبِ مِنْ شَرٍّ قَدِ اقْتَرَبَ، فُتِحَ اليَوْمَ مِنْ رَدْمِ يَأْجُوجَ وَمَأْجُوجَ مِثْلُ هَذِهِ» وَحَلَّقَ بِإِصْبَعِهِ الإِبْهَامِ وَالَّتِي تَلِيهَا، قَالَتْ زَيْنَبُ بِنْتُ جَحْشٍ فَقُلْتُ يَا رَسُولَ اللَّهِ: أَنَهْلِكُ وَفِينَا الصَّالِحُونَ؟ قَالَ: «نَعَمْ إِذَا كَثُرَ الخَبَثُ».

Tatitra azo avy amin'i Zaynab Binti Djahsh (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manakaiky, nisokatra toy izao androany vala nanidina an’i Goga sy Magoga.” Dia nanondro ny ankihiben-tànany sy ny rantsan-tànany manaraka ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Zainab binti Djahsh: Ry irak'Allah ô! : Ho rendrika ve isika nefa eo amintsika ireo olona mendrika? Namaly izy hoe : “Eny, rehefa besaka ny faharatsiana.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3346

Ny fanazavana

Niditra tao amin'i Zainab bint Djahsh ny Mpaminany (S.A.W) niaraka tamin'ny fahangovirana sy tahotra ka niteny manao hoe: Tsy misy Tompo marina afa-tsy Allah, manambara fiandrasana zavatra ratsy hitranga, ary tsy misy famonjena amin’izany afa-tsy amin’ny fitodihana amin’I Allah Ilay Tsitoha, avy eo izy (S.A.W) dia niteny hoe : Loza ho an’ny Arabo amin’ny faharatsiana izay efa manakaiky hitranga, nisokatra androany ilay tototran’i Goga sy Magoga, ilay fampona izay naorin’i Zoul-Qarnayn, tahaka ity, ary nanondro ny ankihibeny sy ilay manaraka izy (S.A.W). Hoy i Zainab (R.A) : “Ahoana no hanasazin'i Allah atsika amin'ny fandringanana, nefa misy ireo mpino mendrika eto amintsika? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : Raha maro isa ny faharatsiana toy ny fahalotoam-pitondran_tena, ny fahavetavetana, ny fahotana, ny fijangajangana, ny toaka sy ny zavatra hafa, dia ho ringana avokoa ny rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tahotra dia tsy manelingelina ny fon’ny mpino amin’ny fahatsiarovana an’i Allah rehefa matahotra izy; Satria ao amin'ny fahatsiarovana an'I Allah no ahitana fitoniana.
  2. Famporisihana amin'ny fandavana ny fahotana sy hisoroka izany mba tsy hitranga.
  3. Ny fandringanana ankapobeny dia mitranga noho ny hamaroan'ny ota, sy ny fiparitahany, ary ny tsy fisian'ny fandrarana azy, na dia maro aza ny olo-mendrika.
  4. Mahavoa ny olona rehetra ny loza, na ny mpanao tsara na ny mpanao ratsy, saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo araka ny fikasany.
  5. Nasongadiny manokana ny Arabo amin'ny teniny hoe : “Loza ho an’ny Arabo noho ny faharatsiana efa manatona”; Satria izy ireo no maro an'isa tamin'ireo niditra ny finoana silamo tamin'ny fotoana nitenenan'ny Mpaminany (S.A.W) izany.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية