1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah

عَنْ ثَوْبَانَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«أَفْضَلُ دِينَارٍ يُنْفِقُهُ الرَّجُلُ، دِينَارٌ يُنْفِقُهُ عَلَى عِيَالِهِ، وَدِينَارٌ يُنْفِقُهُ الرَّجُلُ عَلَى دَابَّتِهِ فِي سَبِيلِ اللهِ، وَدِينَارٌ يُنْفِقُهُ عَلَى أَصْحَابِهِ فِي سَبِيلِ اللهِ» قَالَ أَبُو قِلَابَةَ: وَبَدَأَ بِالْعِيَالِ، ثُمَّ قَالَ أَبُو قِلَابَةَ: وَأَيُّ رَجُلٍ أَعْظَمُ أَجْرًا مِنْ رَجُلٍ يُنْفِقُ عَلَى عِيَالٍ صِغَارٍ، يُعِفُّهُمْ أَوْ يَنْفَعُهُمُ اللهُ بِهِ وَيُغْنِيهِمْ.

Tatitra azo avy amin'i Thaobani (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 994

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) ireo karazana famoahana, ary nalaminy mifanandrify amin’ny famoahana araka izay tsy maintsy ataonao, ka nanomboka tamin’ny tena lehibe indrindra ary avy eo ny manaraka. Ka nilaza izy fa ny vola hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay lanin'ny mpino silamo amin'ny olona iray izay eo ambany fahefany ka tsy maintsy iantohany; toy ny amin'ny vady aman-janaka, Avy eo ny famoahana amin'ny fitaovam-pitaterana ho amin'ny ady masina noho Allah. Avy eo famoahana amin'ny namany sy ny sakaizany raha mbola eo am-panaovana ady masina izy ireo amin'ny làlan'i Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandaminana ny fahasoavan'ny fandaniana amin’ny famoaham-bola dia araka ny voalaza eto, ka tokony hajaina izany rehefa mivangongo.
  2. Fanazavana ny laharam-pahamehana amin'ny fandaniana amin'ny ankohonana noho ny hafa.
  3. Ny fandaniana amin'ny ady masina ho amin'ny làlan'i Allah dia iray amin'ireo fandaniana lehibe indrindra, toy ny fanomanana fitaovana sy lehilahy ho amin'ny ady masina.
  4. Voalaza : Ny atao hoe làlan'i Allah dia ny asa fankatoavana rehetra, toy ny fivanianana Masina, ohatra.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية