عَنْ أَبِي بَكْرٍ الصِّدِّيقِ رضي الله عنه أَنَّهُ قَالَ: أَيُّهَا النَّاسُ، إِنَّكُمْ تَقْرَؤُونَ هَذِهِ الآيَةَ: {يَا أَيُّهَا الَّذِينَ آمَنُوا عَلَيْكُمْ أَنْفُسَكُمْ لاَ يَضُرُّكُمْ مَنْ ضَلَّ إِذَا اهْتَدَيْتُمْ}، وَإِنِّي سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِنَّ النَّاسَ إِذَا رَأَوْا الظَّالِمَ فَلَمْ يَأْخُذُوا عَلَى يَدَيْهِ أَوْشَكَ أَنْ يَعُمَّهُمُ اللَّهُ بِعِقَابٍ مِنْهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Bakri sidiq (R.A) niteny manao hoe : ry olombelona, ianareo dia mamaky ity andininy masina ity : {o ianareo mpino, tompon'andraikitra amin'ny tenanareo ianao ka tsy haninona anareo velively izay very làlana raha mizotra amin'ny làla-marina ianareo}, izaho nandre an'ny mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Izay mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany dia mety alefan'Allah amin'ny rehetra ny saziny".

Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad Sonan At-Tirmizì - 2168

Ny fanazavana

Nilaza i Abo Bakri Sidik (R.A) hoe : ny olona rehetra dia mamaky ity andininy ity :
{O ianareo mpino, tompon'andraikitra amin'ny tenanareo ianao ka tsy haninona anareo velively izay very làlana raha mizotra amin'ny làla-marina ianareo} [Al-maida : 105].
Ny nahazoan'izy ireo izany dia ny hoe : adidin'ny olona tsirairay ny manarina ny tenany fotsiny, ary tsy misy fiantraikany aminy ny fahaverezan'izay very làlana aorian'izany, ary tsy takina amin'izy ireo ny famporisiana amin'ny fanaovan-tsoa sy ny fanakanana amin'ny ratsy!
Ka nampianariny azy ireo fa ny andininy dia tsy tahak'izany, ary izy dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : Ny olona raha mahita ny mpanao ny tsy rariny ka tsy nosakanany amin'ny tsy rariny izay nataony, nefa ananany fahefana ny manakana azy, dia saika ho atambatr'iAllah ao amin'ny saziny avokoa, ny mpanao ny ratsy sy izay mangina amin'izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Adidin’ny mpino silamo rehetra ny mifanoro hevitra sy mibaiko amin'ny tsara ary mandrara ny ratsy.
  2. Sazin'i Allah dia mandrakotra ny rehetra, ny mpanao ny tsy rariny sy ny mangina tsy manohitra izany, raha toa ka manana fahefana hanohitra.
  3. Fampianarana ny rehetra sy fampahafantarana azy ireo ilay andininy masina ao amin'ny Kor'any amin'ny fomba fijery marina.
  4. Voadidy amin'ny olombelona ny hiahy ny fahatakarana ny bokin'i Allah, mba tsy hahazoany azy amin'ny fomba hafa tsy araka ny ilain'i Allah.
  5. Tsy ho tanteraka ny fitarihana raha miala amin’ny famporisiana amin'ny tsara sy fandrarana amin'ny ratsy.
  6. Ny fandikana marina ilay andininy dia hoe : Mifikira ianareo amin'ny fifehezana ny tenanareo manoloana ny fahotana, satria raha voafehinareo ny tenanareo ka tsy afaka mamporisika amin'ny tsara sy mandrara amin'ny hafa ianareo, dia tsy hahavoa anareo ny fahaverezan'izay mpanao zavatra voarara, raha nahitsy tamin'ny fiatahana fahotana ianareo.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية