1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho

عَنْ عَائِشَةَ رضي الله عنها قَالَتْ:
فَقَدْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لَيْلَةً مِنَ الْفِرَاشِ فَالْتَمَسْتُهُ فَوَقَعَتْ يَدِي عَلَى بَطْنِ قَدَمَيْهِ وَهُوَ فِي الْمَسْجِدِ وَهُمَا مَنْصُوبَتَانِ، وَهُوَ يَقُولُ: «اللهُمَّ أَعُوذُ بِرِضَاكَ مِنْ سَخَطِكَ، وَبِمُعَافَاتِكَ مِنْ عُقُوبَتِكَ، وَأَعُوذُ بِكَ مِنْكَ لَا أُحْصِي ثَنَاءً عَلَيْكَ أَنْتَ كَمَا أَثْنَيْتَ عَلَى نَفْسِكَ».

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A), Niteny manao hoe :
Tsy nahita an'ny irak'Allah teo am-pandrina aho tamin'ny alina, Dia nokasihiko izy ary ny tànako dia nahazo teo amin’ny faladian-tongony raha mbola tao amin’ny toeram-pivavahana izy, ary nijoro tsara ireo, dia hoy izy : «Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 486

Ny fanazavana

Hoy i Aisha (R.A) : Natory teo anilan'ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary tsy nahita azy nandritra ny alina, ka nokasihiko tamin'ny tànako ny toerana fivavahany tao amin'ny efitrano. Dia tsapako fa niankohoka izy ary ny tongony roa nitsangana, avy eo izy niteny hoe :
(Mitady fialofana) sy mifona (amin'ny fifaliana manoloana ny fahatezeranao) amiko na amin'ny vahoakako, (ary) mitady fialofana aho (amin'ny famelanao) sy ny famelan-kelokao be dia be (manoloana ny famaizanao), (Ary mangataka fiarovana Aminao aho) ary amin’ny hatsaran'ny toetranao sy ny voninahitrao, satria tsy misy afaka hangataham-pamonjena afa-tsy Ianao ihany. Ka tsy misy fialofana na fiaravona amin’I Allah afa-tsy ao Aminy ihany. (Tsy mahavoaisa ny fiderana Anao aho) Tsy zakako na tsy tratrako ny halavany sy ny isany noho ny tsy fahaizako manisa ny fahasoavanao sy ny hatsaram-panahinao araka izay mendrika anao, na dia miezaka manao izany aza aho. (Toy ny nideranao ny tenanao) Ianao no nidera tena tamin'ny fiderana mendrika Anao, ka iza no afaka manao ny rariny amin'ny fiderana Anao ?!

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny manao ity Doan ity eo am-piankohofana.
  2. Hoy i Mirik : Ary ao amin'ny iray amin'ireo fitantaran'i Al-Nasa'i : Niteny ity fitalahoana ity izy rehefa nahavita ny fivavahany ka nandeha natory.
  3. Tsaratsara ny midera an’I Allah amin’ny toetrany sy miantso Azy amin’ny anarany voarakitra ao amin’ny CORAN sy ny Sonnah.
  4. Ao amin'izany dia misy fanomezam-boninahitra ny Mpahary amin’ny fiondrehana sy ny fiankohofana.
  5. Azo atao ny mitady fialofana amin’ny toetran’I Allah, toy ny azo atao koa ny mitady fialofana amin’ny tenany - Voninahitra ho Azy.
  6. Hoy i Al-Khattabi : Misy dikany tsara amin’ity lahateny ity, dia ny hoe : Nitady fialofana tamin’I Allah izy mba hiaro azy amin’ny fifaliany manoloana ny fahatezerany, ary amin’ny famelana Azy amin’ny saziny, ary ny fahafaham-po sy ny tsy fankasitrahany dia roa mifanohitra, toy izany ny famelan-keloka sy ny tamberin’andraikitra amin’ny famaizana, ka rehefa nilaza izay tsy misy mifanohitra amin’izany izy, dia Allah Tsitoha, dia tsy nisy hafa nialokalofany taminy, ary ny dikan’izany dia ny hoe : mitady famelan-keloka noho ny tsy fahatanterahany adidy mitsaoka Azy sy midera Azy. Ary ny teniny hoe: Tsy voaisako ny fiderana Anao, izany hoe, tsy zakako na tratrako izany.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية