1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona

عَنِ النَّوَّاسِ بْنِ سِمْعَانَ الْأَنْصَارِيِّ رضي الله عنه قَالَ:
سَأَلْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنِ الْبِرِّ وَالْإِثْمِ، فَقَالَ: «الْبِرُّ حُسْنُ الْخُلُقِ، وَالْإِثْمُ مَا حَاكَ فِي صَدْرِكَ، وَكَرِهْتَ أَنْ يَطَّلِعَ عَلَيْهِ النَّاسُ».

Tatitra azo tamin'i Al-Nawwàs bin Samà’n Al-Ansari (R.A) Niteny ka nanao hoe :
Nanontany an'ilay Irakan'i Tompo Allah Aho ny amin'ny hatsarana sy ny fahotana, dia hoy Izy namaly : " Ny hatsarana dia ny fahatsaran-toetra, ary ny fahotana dia izay tsy mahatony ny ao am-ponao, ary halanao ny haseho amin'ny Olona ".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2553

Ny fanazavana

Nanontaniana momba ny hatsarana sy ny fahotana i Mpaminany (S.W.A) ka hoy Izy namaly hoe :
Ny mendrika tsara indrindra amin’ny fahatsarana dia ny fitondran-tena tsara sy mendrika eo anatrehan’i Tompo Allah amin’ny alàlan’ny fahatahorana Azy, ary amin’ny zavaboary dia amin’ny alàlan’ny fiharetana amin'ny fampijalina ataony, ny tsy fisian’ny fahatezerana, ny endrika falifaly, ny fitenenana tsara, ny fifandraisana, ny fankatoavana, ny hatsaram-panahy, ny fahalalahan-tànana, ny fahaiza-miaina tsara ary ny fiarahana.
Fa raha ny amin’ny fahotana, dia ny fisalasalana no miveivezy ao amin’ny fanahy sy misalasala raha tsy misokatra ny tratrany, ary ny fisalasalana sy ny tahotra ny amin’izany ho fahotana no nitranga tao am-po. Tsy te hampiseho izany Izy satria ratsy ho an'ny olona manana ny maha Izy azy sy lavorary izany, ary izany dia noho ny fanahy dia tia mampahafantatra amin'ny olona ny hatsarany, ka raha mankahala ny fampahafantarana ny sasany amin'ny zavatra ataony Izy dia ota tsy misy hatsarana izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny fitondran-tena tsara sy mendrika indrindra; Satria ny toetra tsara dia iray amin'ireo famatarana tsara indrindra amin'ny fahatsarana.
  2. Ny marina sy ny lainga dia tsy afangaro amin’ny olona mpino, fa amin’ny alàlan’ny fahazavana ao am-pony no ahafantarany ny marina, ary manalavitra ny lainga sy mandà an'izany.
  3. Anisan’ny famantarana ny fahotana ny fanahiana sy ny fikorontanana ao am-po, ary ny fandavana ny hilaza izany amin’ny olona.
  4. Hoy i Al-Sindì : Mihatra amin'ny raharaha mampiahiahy izay tsy fantatry ny olona ny fanendrena ny iray amin'ireo zavatra roa. Raha tsy izany, ny didin'ny Sharia tsy misy porofo miseho mifanohitra amin'izany dia fahatsarana, ary izay voarara dia fahotana koa, ary tsy ilaina ny fo hitady Fatowa na hanome toky Azy.
  5. Ireo izay resahina ao amin'ny Hadithe dia ireo olona manana saina tsara, fa tsy ireo manana fo torotoro izay tsy mahalala ny tsara ary tsy mandà ny ratsy afa-tsy izay nosotroiny tamin'ny faniriany.
  6. Hoy i Al-Tìbì : Voalaza fa ny fahatsarana ao amin'ny Hadithe dia nadika tamin'ny heviny isan-karazany toy ny nahazoan'ny fanahy sy fo toky, ary amin'ny toerana iray dia nadika tamin'ny zavatra mitondra anao akaiky kokoa an’i Tompo Allah, ary eto dia ny toetra tsara, ary ny toetra tsara dia nadika hoe : mandefitra ny ratsy, tsy misy fahatezerana, miharihary, ary mitovitovy ny heviny.

Fanehona ny dikanteny

60 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو