1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao

عَنْ أَبِي العَبَّاسِ سَهْلِ بْنِ سَعِدٍ السَّاعِدِيِّ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: جَاءَ رَجُلٌ إِلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، دُلَّنِي عَلَى عَمَلٍ إِذَا عَمِلْتُهُ أَحَبَّنِي اللَّهُ وَأَحَبَّنِي النَّاسُ، فَقَالَ:
«ازْهَدْ فِي الدُّنْيَا يُحِبُّكَ اللَّهُ، وَازْهَدْ فِيمَا عِنْدَ النَّاسِ يُحِبُّكَ النَّاسُ».

Niteny Abo Al-'abbaasi, Sahalo Ibn San'di As-saa'idi (R.A), fa nisy lehilahy iray tonga tamin'ny Mpaminany (S.W.A) ka nilaza hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ! Atoroy asa Aho, raha manao azy Aho dia ho tian'i Tompo Allah ary ho tian'ny Olona ihany koa. Dia hoy Izy :
Aza miraiki-po amin'ny fiainana eto an-tany dia ho tian'i Tompo Allah Ianao; ary aza misahirana amin'izay eny am-pelatanan'ny Olona dia ho tian'Olona Ianao.

قال النووي: حديث حسن رواه ابن ماجه وغيره بأسانيد حسنة الأربعون النووية - 31

Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A) mba hitari-dàlana Azy amin'ny asa, raha ataony, dia ho tian'i Tompo Allah Izy ary ho tian'ny Olona izany. Ka hoy Mpaminany (S.A.W) Taminy : Ho tia Anao i Tompo Allah raha mahafoy ny zava-tsarobidin’izao tontolo izao sy izay tsy hahasoa Anao any an-koatra Ianao, ary mahafoy izay mety hanimba ny finoanao. Ary ho tia Anao ny Olona, ​​raha mandà izay ananany amin’izao tontolo izao Ianao, Satria araka ny maha-izy azy no tiany, ka izay mifaninana Aminy dia halany tsy tiany, ary izay mahafoy izany ho Azy dia tiany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny fihafiana eto amin'izao tontolo izao, dia ny hoe : miala amin'izay tsy mahasoa ny any ankoatra.
  2. Ny Zohodi dia ambony noho ny fitiavam-bavaka, Satria ny fitiavam-bavaka dia miala amin'izay mety hanimba, fa ny Zohodi dia miala amin'ny zavatra tsy mahasoa any ankoatra.
  3. Hoy i Al-Sindi : Tena marina fa ny eto an_tany dia anisany zavatra tena tian'ny Olona amin'izao tontolo izao, ka izay mifaninana Aminy amin'izany dia ho halan'izy ireo hatramin'izay, ary izay mandao azy ireo sy ny Olon-tiany dia ho tian'ny fony hatramin'izay.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو