1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo

عَنْ سَهْلِ بْنِ سَعْدٍ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا يَزَالُ النَّاسُ بِخَيْرٍ مَا عَجَّلُوا الْفِطْرَ».

Tatitra azo avy amin'i Sahl bin Sa'ad (R.A), Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
"Mbola mitoetra tsara ny olona raha mbola manafaingana ny fisakafoana amin'ny hariva izy ireo."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1098

Ny fanazavana

Nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ho tsara foana ny olona raha manafaingana ny fanapahana ny fifadian-kanina izy ireo rehefa voamarina fa efa milentika ny masoandro. Izany dia mifanaraka amin'ny Sonnat sy mifikitra amin'ny fetrany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Hoy i Al-Nawawi : Amporisihina ny hanafaingana izany aorian'ny filentehan'ny masoandro, ary midika izany fa mbola milamina ny raharahan'ny vahoaka ary tsara izany raha mbola mifikitra amin'ity sonnat ity izy ireo, ary raha nataon'izy ireo tara izany dia famantarana fa tafalatsaka tao anatin'ny fahasimbana izy ireo.
  2. Mitoetra ao amin’ny olona ny fahatsarana noho ny fanarahany ny Sonnah, ary mifandray amin’ny fanovana ny Sonnah ny fahasimban'ny raharaha.
  3. Fanoherana ireo olon'ny Boky sy ny olon'ny forona, satria manemotra ny fisakafoana izy ireo.
  4. Hoy I Ibn Hajar : Ary misy fanazavana momba ny anton'izany i Al-Mohallab dia nilaza hoe : Ny fahendrena amin'izany dia ny tsy tokony ampiana ny andro amin'ny alina, ary satria mora kokoa ho an'ny olona mifady hanina sy matanjaka kokoa izy. Nifanaiky ny manam-pahaizana fa ny vahaolana amin'izany dia raha voamarina amin'ny alàlan'ny fahitana na amin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovaon'ny olona roa marina, ary koa ny olona iray.
  5. Ibn Hajar dia nilaza hoe : Fanairana : Anisan'ireo zava-baovao voaheloka nampidirina amin'izao fotoana izao ny fiantsoana faharoa amin'ny ampahatelon'ny ora alohan'ny maraina amin'ny Ramadany, ary ny famonoana ny jiro, izay natao ho mariky ny fandrarana ny andro mihinana sy misotro ho an'izay te-hifady hanina, milaza fa izay namorona izany dia ho eo amin'ny lafiny azo antoka amin'ny fanompoam-pivavahana, ary izy ihany no mahalala ny momba izany, ary izany no nitarika azy ireo ho amin'ny tsy nanomboka manao Azan hatramin’ny filentehan’ny masoandro amin’ny ambaratonga iray mba hahafahan’ny fotoana araky ny voalazan'izy ireo, noho izany dia nanemotra ny fisakafoana izy ireo, nanafaingana ny sakafo maraina ary nandika ny Sonnah, ary noho izany dia nihena ny hatsarana ary nitombo ny faharatsiana tao amin’izy ireo.

Fanehona ny dikanteny

47 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية