1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa

عَنْ ابْنَ عُمَرَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِذَا رَأَيْتُمُوهُ فَصُومُوا، وَإِذَا رَأَيْتُمُوهُ فَأَفْطِرُوا، فَإِنْ غُمَّ عَلَيْكُمْ فَاقْدُرُوا لَهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Omar (R.A) niteny izy : Izaho nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Rehefa hitanareo izy, dia mifeheza ianareo, ary raha hitanareo izy, dia tapaho ny fifehezana, fa raha manjavozavo aminareo ny andro, dia fenoy ny isa".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1900

Ny fanazavana

Nanazava ny famantarana ny fiandohana sy ny fiafaran'ny volana Ramadany ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy : Raha mahita ny tsinam-bolana Ramadany ianareo dia mifeheza, ary raha misy rahona manelanelana anareo sy izy ka hanarona anareo; dia fenoy telopolo andro ny volana Shaaban, ary rehefa hitanareo ny tsinam-bolana amin’ny volana Shawwal, dia mitsahara amin'ny fifehezana ianareo, ary raha misy rahona eo anelanelanareo sy izy, ka saron'izany ianareo amin'ny fahitana azy, dia fenoy telopolo andro ny volana Ramadany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Miantehitra amin'ny fahitana, fa tsy ny kajikajy, no hanaporofoana ny fiandohan'ny volana.
  2. Ibn al-Mondhir dia nampita ny marimaritra iraisana fa tsy voatery ny fifehezana raha mifototra amin'ny kajikajy fotsiny ny fiandohan'ny volana Ramadany fa tsy misy fahitana.
  3. Voadidy ny mameno ny volana Shaaban ho telopolo andro raha manakana ny fahitana ny volana Ramadany ny rahona na ny toy izany.
  4. Ny iray volana -araka ny fanisana islamika- dia sivy amby roapolo andro, na telopolo andro.
  5. Tsy maintsy mameno telopolo andro amin'ny Ramadany raha manakana ny fahitana tsinam-bolana Shawwal ny rahona na ny toy izany.
  6. Izay amin'ny toerana tsy misy olona miandraikitra raharahan'ny mpino silamo momba ny fifehezana, na izay tsy niraharaha izany, dia tokony hifantoka ary hanamarina izany amin'ny olona izay miandraikitra amin'ny fahitana tsinam_bolana sy izay olona azony antoka; Koa amin'ny alàlan'izany no mifehy sy manapaka ny fifehezany izy.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية