1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤمنينَ رضي الله عنها قَالَتْ:
دَخَلَ عَلَيَّ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَقَدْ سَتَرْتُ سَهْوَةً لِي بِقِرَامٍ فِيهِ تَمَاثِيلُ، فَلَمَّا رَآهُ هَتَكَهُ وَتَلَوَّنَ وَجْهُهُ وَقَالَ: «يَا عَائِشَةُ، أَشَدُّ النَّاسِ عَذَابًا عِنْدَ اللهِ يَوْمَ الْقِيَامَةِ الَّذِينَ يُضَاهُونَ بِخَلْقِ اللهِ» قَالَتْ عَائِشَةُ: «فَقَطَعْنَاهُ فَجَعَلْنَا مِنْهُ وِسَادَةً أَوْ وِسَادَتَيْنِ».

Tatitra azo avy tamin'i Aicha, Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2107

Ny fanazavana

Niditra tao an-tranony ny Mpaminany (S.A.W) tao amin'i Aisha, ka hitany fa nosaronany lamba misy sarin'ny zavamananaina ny vata kely fitahirizan-javatra ka niova ny lokon’ny tarehiny noho ny hatezerana noho ny antony finoana ka nongotany izany dia niteny hoe : Ny olona hijaly indrindra amin’ny andro farany, dia ireo izay manamboatra zavatra mitovitovy endrika amin’ny zava-boarin’Allah. Hoy i Aisha : Ka nataonay ondana iray na roa izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanakanana amin'ny ratsy amin'ny fotoana hahitana azy ary tsy mangatam-potoana hanaovana izany, raha tsy miteraka fahavoazana lehibe kokoa.
  2. Miovaova arakaraka ny hamafin’ny fahotana ny sazy amin’ny Andro farany.
  3. Fahotana lehibe ny fanaovana sary zavamananaina.
  4. Anisan’ny didy manakana amin'ny fankana sary ny fandrarana fakana tahaka ny zavaboarin’Allah Tsitoha, na mikasa ny haka tahaka izany ny mpaka sary na tsia.
  5. Ny fahavitrihan'ny lalàna islamika amin'ny fiarovana ny harena sy ny fampiasana azy, rehefa avy nisoroka izay voarara ao.
  6. Fandrarana ny fanaovana sarin'ny zavamananaina amin'ny endriny rehetra, na dia matihanina aza.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية