1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao

عَنْ عَبْدِ اللهِ بنِ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قال:
سَأَلْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: أَيُّ الذَّنْبِ أَعْظَمُ عِنْدَ اللهِ؟ قَالَ: «أَنْ تَجْعَلَ لِلهِ نِدًّا وَهُوَ خَلَقَكَ» قُلْتُ: إِنَّ ذَلِكَ لَعَظِيمٌ، قُلْتُ: ثُمَّ أَيُّ؟ قَالَ: «وَأَنْ تَقْتُلَ وَلَدَكَ؛ تَخَافُ أَنْ يَطْعَمَ مَعَكَ» قُلْتُ: ثُمَّ أَيُّ؟ قَالَ: «أَنْ تُزَانِيَ حَلِيلَةَ جَارِكَ».

Tatitra azo avy amin'i Abdollahi Bin Massondi (R.A) niteny :
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4477

Ny fanazavana

Nanontaniana momba ny fahotana lehibe indrindra ny Mpaminany (S.A.W) dia namaly hoe : Ny lehibe indrindra amin’izy ireo dia ny fanompoan-tsampy, dia ny fanaovana an’i Allah ho mitovy tantana amin'ny hafa eo amin’ny maha-Zanahary Azy, na ny maha-tompo Azy, na amin'ny Anarany sy ny Toetoetrany. Tsy avelan’Allah izany fahotana izany raha tsy amin’ny alàlan’ny fibebahana, ary raha maty amin'izany ny mpanao azy dia hitoetra mandrakizay anaty Afobe. Avy eo ny olona mamono ny zanany noho ny tahotra sao hiara-mihinana aminy, ary voarara ny mamono olona, ary voamaika ngeza ny fahotana raha havan'ilay mpamono ilay maty, ary mihalehibe kokoa tahak'izany ny fahotany raha noho ny fatahoran'ilay mpamono fa handray anjara amin’ny fahasoavana nomen’I Allah azy ilay novonoiny. Avy eo dia ny fijangajangana nataon'ny lehilahy iray amin’ny vadin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy, amin’ny alàlan'ny fiezahana hamitaka ny vadin’ny mpifanolo-bodiridrina aminy mba hanaparany ny filan-dratsiny, ka hanaiky azy. Voarara ny fijangajangana, saingy lehibe kokoa ny fahotany raha vadin'ny mpifanolo-bodirindrina, izay nodidin'ny lalàna silamika ny fanaovan-tsoa sy fanehoana hatsaram-panahy ary ny fiarahana tsara aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny tsy fitovian'ny fahotana, toy ny tsy fitovizan'ny asa soa eo amin'ny lanjany.
  2. Ny fahotana lehibe indrindra : ny fampirafesana an’i Allah ilay Tsitoha amin'ny hafa, avy eo dia famonoana ny zaza noho ny tahotra sao hiara-misakafo aminao izy, ary ny mijangajanga amin’ny vadin’ny mpiray vodirindrina.
  3. Eo am-pelatanan’Allah ny anjaram-pivelomana, ary Izy, no tompon'andraikitra manome ny anjaran’ireo zavaboary.
  4. Ny maha lehibe ny zon’ny mpifanolo-bodirindrina, ​​ary fanaovan-dratsy aminy dia fahotana lehibe kokoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy amin'ny hafa.
  5. Ilay Mpamorona irery ihany no mendrika ho tompoina, tsy misy mpiombona Aminy.

Fanehona ny dikanteny

60 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية