1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ: أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لاَ تَقُومُ السَّاعَةُ حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ مِنْ مَغْرِبِهَا، فَإِذَا طَلَعَتْ فَرَآهَا النَّاسُ آمَنُوا أَجْمَعُونَ، فَذَلِكَ حِينَ: {لاَ يَنْفَعُ نَفْسًا إِيمَانُهَا لَمْ تَكُنْ آمَنَتْ مِنْ قَبْلُ، أَوْ كَسَبَتْ فِي إِيمَانِهَا خَيْرًا} [الأنعام: 158] وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدْ نَشَرَ الرَّجُلاَنِ ثَوْبَهُمَا بَيْنَهُمَا فَلاَ يَتَبَايَعَانِهِ، وَلاَ يَطْوِيَانِهِ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدِ انْصَرَفَ الرَّجُلُ بِلَبَنِ لِقْحَتِهِ فَلاَ يَطْعَمُهُ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَهُوَ يَلِيطُ حَوْضَهُ فَلاَ يَسْقِي فِيهِ، وَلَتَقُومَنَّ السَّاعَةُ وَقَدْ رَفَعَ أَحَدُكُمْ أُكْلَتَهُ إِلَى فِيهِ فَلاَ يَطْعَمُهَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) ka nanao hoe :
" Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6506

Ny fanazavana

Mampahafantatra ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.A.W) fa anisan'ireo famantarana lehibe manoloana ny amin'ny fisiany Andro farany dia ny fiposahan'ny Masoandro avy any andrefana fa tsy avy any atsinanana intsony, ary rehefa hitan'ny Olona rehetra izany dia hino avokoa izy ireo. Ka amin'ny izany fotoana izany, dia tsy hahasoa an'ireo rehetra tsy Mpino ny finoan'izy ireo, ary tsy hahasoa azy ireo intsony ihany koa ny asa soa izay nataon'izy ireo na ny fibebahana sy ny fiverenana amin'ny Allah. Avy eo dia Nampafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa ny ora farany dia tsy maintsy hiseho sy hitranga ary tsy maintsy ho tonga amin'ny endrika tampoka; ho tonga tokoa izany ary ny olombelona dia eo ampanaovana ny raharahan'izy ireo sy ny zavatra mahazatra azy ireo andavanandro. Ka ho tonga ny andro farany, ka ny mpivarotra sy ny mpividy dia samy efa namelatra ny lamban'izy roa avokoa, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny andro farany ka ny lehilahy iray efa naka ny ronon'ny ramevany nefa tsy tafisotro izany akory, Ary ho tonga ny andro farany ka ny lehilahy dia eo ampanamboarana ny tavin-dranony ka tsy tafisotro izany akory. Ary ho tonga ny andro farany ary ny lehilahy iray mampiakatra ny sakafony any am-bavany hihinana izany nefa tsy tafihoaniny indray akory ilay sakafo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana Islamo sy ny fibebahana dia azo ekena raha mbola tsy miposaka avy any andrefana ny Masoandro.
  2. Famporisihana ny fiomanana amin’ny ora farany amin’ny alàlan'ny finoana sy ny asa tsara; Satria na ho ela na ho aingana fa tsy maintsy ho tonga tampoka ny ora farany.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو