1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّ أَوَّلَ زُمْرَةٍ يَدْخُلُونَ الجَنَّةَ عَلَى صُورَةِ القَمَرِ لَيْلَةَ البَدْرِ، ثُمَّ الَّذِينَ يَلُونَهُمْ عَلَى أَشَدِّ كَوْكَبٍ دُرِّيٍّ فِي السَّمَاءِ إِضَاءَةً، لاَ يَبُولُونَ وَلاَ يَتَغَوَّطُونَ، وَلاَ يَتْفِلُونَ وَلاَ يَمْتَخِطُونَ، أَمْشَاطُهُمُ الذَّهَبُ، وَرَشْحُهُمُ المِسْكُ، وَمَجَامِرُهُمْ الأَلُوَّةُ الأَنْجُوجُ، عُودُ الطِّيبِ وَأَزْوَاجُهُمُ الحُورُ العِينُ، عَلَى خَلْقِ رَجُلٍ وَاحِدٍ، عَلَى صُورَةِ أَبِيهِمْ آدَمَ، سِتُّونَ ذِرَاعًا فِي السَّمَاءِ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3327

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny vondrona mpino voalohany hiditra ao amin'ny paradisa dia hanana ny tarehiny amin'ny endriky ny volana amin'ny alin'ny diavolana ny fahazavany, ary izay manaraka azy ireo dia hanana ny famirapiratana indrindra toy kintana eny amin’ny lanitra, ary hanana filazalazana ny amin’ny fahatanterahana izy ireo amin’ny hoe tsy mipipy na mikaka ary mandroba, na mandrora, volamena ny fihogony, ary ranomanitra Misk ny hatsembohany, ary ny fandoroana dia mamoaka ditin-kazo manitra tsara indrindra sy ny fofona manitra, ny vadin'izy ireo dia ireo vehivavy tsara tarehy, Izy ireo dia noforonina taorian'ny nahariana ny lehilahy iray, amin'ny endrika Lava toy i Adama rainy sady natanjaka tsara, Enimpolo hakiho ny halavany eny amin'ny lanitra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny toetran'ny olona ao amin'ny Paradisa, ary miovaova arakaraka ny ambaratongany sy ny asany.
  2. Fampiasana fampitahana mba hanombanana sy hanazavana ny dikany.
  3. Hoy i Al-Qurtubi : Mety hisy hiteny fa tsy ilaina ny mibango rehefa tsy misy volo ary tsy maloto ny volony? Inona no ilain'izy ireo amin'ny emboka manitra rehefa tsara kokoa noho ny misk ny fofony? Hoy izy : Valiny fa ny fahasambaran’ny mponin’ny Paradisa eo amin’ny lafiny sakafo, zava-pisotro, fitafiana ary menaka manitra dia tsy vokatry ny fanaintainan’ny hanoanana, ny hetaheta, ny fitanjahana na ny maimbo, fa noho ny fahafinaretan’ny hafa sy ny fitahiana nifandimby, ary ny fahendrena amin’izany dia ny fankafizan’izy ireo karazana izay nankafiziny teto amin’ity tontolo ity.

Fanehona ny dikanteny

40 Ny teny
EN English Anglisy
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية