1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”

عَنْ عُبَادَةَ بْنِ الصَّامِتِ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«فِي الجَنَّةِ مِائَةُ دَرَجَةٍ مَا بَيْنَ كُلِّ دَرَجَتَيْنِ كَمَا بَيْنَ السَّمَاءِ وَالأَرْضِ، وَالْفِرْدَوْسُ أَعْلاَهَا دَرَجَةً وَمِنْهَا تُفَجَّرُ أَنْهَارُ الجَنَّةِ الأَرْبَعَةُ، وَمِنْ فَوْقِهَا يَكُونُ العَرْشُ، فَإِذَا سَأَلْتُمُ اللَّهَ فَسَلُوهُ الفِرْدَوْسَ».

Tatitra azo avy tamin'i Obada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ao amin’ny Paradisa dia misy ambaratonga zato, ary ny elanelan’ny ambaratonga roa dia mitovy amin’ny elanelan’ny lanitra sy ny tany, ary ny AL-FIRDAWS no avo indrindra, ary avy ao no miboiboika ny loharano efatra ao amin’ny Paradisa, ary avy ao amboniny no hisy ny seza fiandrianana, Koa raha mangataka amin’I Allah ianao, dia angataho Aminy ny AL-FIRDAWS”.

Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì Sonan At-Tirmizì - 2531

Ny fanazavana

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) fa ao amin'ny Paradisa any ankoatra dia misy ambaratonga sy toeram-boninahitra zato, ary ny elanelana misy eo amin'ny ambaratonga roa dia mitovy amin'ny elanelan'ny lanitra sy ny tany, ary ny avo indrindra amin'ireo paradisa dia ny Paradisan’i Firdaws, izay ivoahan’ireo renirano efatra ao amin’ny Paradisa, ary eo ambonin’ny Al-Firdaws no misy ny Seza fiandrianana; Raha mangataka amin’I Allah ianao dia angataho Aminy ny Paradisa. Izay eo ambonin'ny Paradisa rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mponin’ny Paradisa dia hiovaova ao an-tranony, araka ny finoana sy ny asa soa.
  2. Famporisihana hangataka amin’I Allah ny Al-Firdaws ilay avo indrindra.
  3. Al-Firdaws no paradisa avo indrindra sy tsara indrindra.
  4. Ny mpino silamo dia tokony hanana hetaheta ambony ary hiezaka sy hikatsaka ny toerana ambony sy ny tsara indrindra amin'I Allah Tsitoha.
  5. Ny renirano efatra amin'ny Paradisa dia ny reniranon'ny rano, ronono, divay ary tantely voatonona ao amin'ny CORAN ao amin'ny tenin'ny Tsitoha manao hoe : {Ny endriky ny Paradisa izay ampanantenaina ny olo-marina dia hisy : renirano tsy miandrona ary reniranon-dronono tsy niova ny tsirony ny reniranonin'ny divay matsiro ho an'ny mpisotro ary reniranonin'ny tantely voadio.” [Mohammad: 15].

Fanehona ny dikanteny

40 Ny teny
EN English Anglisy
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية