1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَوْ يَعْلَمُ النَّاسُ مَا فِي النِّدَاءِ وَالصَّفِّ الْأَوَّلِ ثُمَّ لَمْ يَجِدُوا إِلَّا أَنْ يَسْتَهِمُوا عَلَيْهِ لَاسْتَهَمُوا، وَلَوْ يَعْلَمُونَ مَا فِي التَّهْجِيرِ لَاسْتَبَقُوا إِلَيْهِ، وَلَوْ يَعْلَمُونَ مَا فِي الْعَتَمَةِ وَالصُّبْحِ لَأَتَوْهُمَا وَلَوْ حَبْوًا».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe :
“Raha fantatry ny olona izay ao amin’ny antso sy ny laharana voalohany, ary avy eo dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manao antsapaka izy ireo, dia hanao antsapaka izy ireo, ary raha fantany izay ao anatin’ny fifindra-monina, dia nihazakazaka ho amin’izany izy ireo, ary raha nahafantatra izay ao amin’ny maizina sy ny maraina izy ireo, dia nanatona izany na dia nandady aza.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 437

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nilaza taminay fa raha fantatry ny olona ny fahasoavana ao amin'ny antso ho amin'ny vavaka sy ny laharana voalohany amin'ny valisoa, ny hatsarana sy ny fitahiana, dia tsy hahita fomba hanomezana izany afa-tsy amin'ny antsapaka izay mendrika ho an’ny tompony, dia ho nanao antsapaka izy ireo, ary raha fantany izay tokony hatao amin’ny fiantombohan’ny fotoam-bavaka, dia nihazakazaka ho amin’izany izy ireo, ary raha fantatr'izy ireo ny habetsahan’ny valisoa amin’ny fanaovana ny vavaka Ishaa sy ny vavaka Fajr, dia niezaka nanao izany na dia tsy maintsy mandady amin’ny lohaliny aza izy ireo toy ny zaza rehefa mandeha tamin’ny voalohany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny hasin’ny antso ho amin’ny vavaka.
  2. Fanazava ny hatsaran'ny laharana voalohany, ary manakaiky ny Imam.
  3. Manazava ny maha-zava-dehibe ny fahatongavana aloha ho amin’ny vavaka amin’ny fiandohan’ny fotoana izay tena tsara. Noho ny hasoavana lehibe voarakitra ao, sy ny soa entin’izany, ao anatin’izany ny : fahazoana ny laharana voalohany, manaraka ny vavaka hatrany am-piandohana, fanaovana ny vavaka an-tsitrapo, mamaky ny CORAN, fangatahan'ireo anjely famelan-keloka ho azy, ary izy dia ao anatin'ny swalat raha eo am-piandrasana ny Swalat, sy ny zavatra hafa.
  4. Misy famporisihana lehibe hanatrehana ireo vavaka roa ireo miaraka amin'ny mpiangona, ary be dia be ny tombony amin'izany noho ny fahasahiranan'izy ireo amin'ny fanahy amin'ny fanakorontanana ny torimasony amin'ny voalohany sy amin'ny farany, ka izany no nahatonga ireo vavaka roa ireo sarotra indrindra ho an'ny mpihatsaravelatsihy. ‏
  5. Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fametrahana antsapaka amin'ny zo izay misy vahoaka sy fifandirana. ‏
  6. Ny laharana faharoa dia tsara noho ny fahatelo, ny fahatelo dia tsara noho ny fahefatra, sy ny sisa.

Fanehona ny dikanteny

40 Ny teny
EN English Anglisy
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية