1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ:
مَرَّ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِقَبْرَيْنِ، فَقَالَ: «إِنَّهُمَا لَيُعَذَّبَانِ، وَمَا يُعَذَّبَانِ فِي كَبِيرٍ، أَمَّا أَحَدُهُمَا فَكَانَ لاَ يَسْتَتِرُ مِنَ البَوْلِ، وَأَمَّا الآخَرُ فَكَانَ يَمْشِي بِالنَّمِيمَةِ» ثُمَّ أَخَذَ جَرِيدَةً رَطْبَةً، فَشَقَّهَا نِصْفَيْنِ، فَغَرَزَ فِي كُلِّ قَبْرٍ وَاحِدَةً، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللَّهِ، لِمَ فَعَلْتَ هَذَا؟ قَالَ: «لَعَلَّهُ يُخَفِّفُ عَنْهُمَا مَا لَمْ يَيْبَسَا».

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Àbbàs (R.A) niteny manao hoe :
Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 218

Ny fanazavana

Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Tena iharan'ny sazy tokoa ny tompon’ireo fasana roa ireo; nefa tsy voasazy izy roa noho ny fahotana lehibe araka ny noeritreretinareo, na dia lehibe aza izany eo anatrehan’Allah. Ny iray tamin’izy roa dia tsy niraharaha amin'ny fiarovana ny vatany sy ny lambany rehefa mipipy eo am-pamoahana ny malotony. Ny iray kosa dia nanely fosafosa teo amin’ny olona, ​​nampita ny tenin’ny hafa tamin’ny fikasana hanisy ratsy sy hiteraka tsy fitovian-kevitra ary fifanolanana eo amin’ny samy olona.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fifosana fandaisan-dresaka sy ny tsy fitandremana amin'ny pipy dia anisan'ny fahotana lehibe sy mahatonga ny fijaliana ao am-pasana.
  2. Allah ilay Tsitoha dia naneho ny sasantsasany amin'ireo zava-miafina - toy ny fanasaziana ao am-pasana - ho fanehoana ny famantarana momba ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Ity fanapahana ny ravin-kazo ho roa ity sy ny fametrahana izany eo amin'ny fasana dia voatokana ho an'ny Mpaminany (S.A.W) ny fanaovana azy; Satria nampahafantarin’Allah azy ny toe-javatra nahazo ireo olona roa tao am-pasana, ka tsy misy olona hafa azo ampitahaina aminy satria tsy misy mahalala ny toe-javatra mahazo ny olona any am-pasana.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية