1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, fa saingy tonga tamiko i Jibril (A.S) ary nilaza fa tompo Allah mirehereha anareo eo anatrehan'ireo anjely

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ قَالَ: خَرَجَ مُعَاوِيَةُ عَلَى حَلْقَةٍ فِي الْمَسْجِدِ، فَقَالَ: مَا أَجْلَسَكُمْ؟ قَالُوا: جَلَسْنَا نَذْكُرُ اللهَ، قَالَ آللَّهِ مَا أَجْلَسَكُمْ إِلَّا ذَاكَ؟ قَالُوا: وَاللهِ مَا أَجْلَسَنَا إِلَّا ذَاكَ، قَالَ: أَمَا إِنِّي لَمْ أَسْتَحْلِفْكُمْ تُهْمَةً لَكُمْ، وَمَا كَانَ أَحَدٌ بِمَنْزِلَتِي مِنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَقَلَّ عَنْهُ حَدِيثًا مِنِّي:
وَإِنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ خَرَجَ عَلَى حَلْقَةٍ مِنْ أَصْحَابِهِ، فَقَالَ: «مَا أَجْلَسَكُمْ؟» قَالُوا: جَلَسْنَا نَذْكُرُ اللهَ وَنَحْمَدُهُ عَلَى مَا هَدَانَا لِلْإِسْلَامِ، وَمَنَّ بِهِ عَلَيْنَا، قَالَ: «آللَّهِ مَا أَجْلَسَكُمْ إِلَّا ذَاكَ؟» قَالُوا: وَاللهِ مَا أَجْلَسَنَا إِلَّا ذَاكَ، قَالَ: «أَمَا إِنِّي لَمْ أَسْتَحْلِفْكُمْ تُهْمَةً لَكُمْ، وَلَكِنَّهُ أَتَانِي جِبْرِيلُ فَأَخْبَرَنِي أَنَّ اللهَ عَزَّ وَجَلَّ يُبَاهِي بِكُمُ الْمَلَائِكَةَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri niteny : Nivoaka hanatevin-daharana tamin'ny fivorivorina tao amin'ny moske i Moawiyah ary niteny hoe : Inona no antony nipetrahanareo eto? Namaly izy ireo : Nipetraka hahatsiaro an’Allah izahay. Dia hoy izy : “Miainiana amin'Allah aho, tsy nipetraka ianareo afa-tsy izany? Namaly izy hoe : "Eny, tsy nipetraka izahay afa tsy izany. Dia hoy izy manao hoe : Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, ary tsy nisy na dia iray aza taminareo nihaino irak'Allah mihoatra ahy :
Ary i Mpaminany (S.A.W) nisy fotoana nivoaka hanatevin-daharana tamin'ny fivorina nataon'ireo mpanaradiany, ka niteny hoe : Inona no antony nipetrahanareo eto? Namaly izy ireo : Nipetraka mba hahatsiaro an’Allah izahay sy misaotra azy tamin'ny fanitsiany anay tato amin'ny Islam ary fanomezany ireo fahasoavana. Dia hoy izy : “Miainiana amin'Allah aho, tsy nipetraka ianareo afa-tsy izany? Namaly izy hoe : "Eny, tsy nipetraka izahay afa tsy izany. Dia hoy izy manao hoe : "Tsy nampianiana anareo aho ho fiampangana anareo, fa saingy tonga tamiko i Jibril (A.S) ary nilaza fa tompo Allah mirehereha anareo eo anatrehan'ireo anjely".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2701

Ny fanazavana

I Moawiyah ibn Abi Sofyan (R.A) dia nivoaka nankany amin'ny vondron'olona tao amin'ny moske ary nanontany azy ireo ny amin'ny zavatra nivorian'izy ireo. Namaly izy ireo hoe : Izahay mahatsiaro sy midera an'Allah, Dia nampianiana azy ireo izy hoe : Fa tsy mila na inona na inona afa-tsy fahatsiarovana an'Allah eo amin'ny fipetrahan'izy ireo sy ny fivoriany. Dia nianiana taminy izy ireo, Dia hoy izy tamin’izy ireo : “Tsy nampianiana anareo tamin’ny fiampangana anareo aho na tamin’ny fisalasalana ny fahamarinanareo, avy eo dia nilaza ny toerana nisy azy tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izy fa tsy nisy olona akaiky an'ny Mpaminany mihoatra azy. Satria rahavavi' i Omm Habiba, vadin'ny Mpaminany (S.A.W), ary noho izy isan'ireo nanoratra ny fanambarana, na dia izany aza fa nitondra Hadith vitsivitsy izy. Ka nilaza tamin’izy ireo izy fa nivoaka ny tranony ny Mpaminany (S.A.W) indray andro ary nahita azy ireo nipetraka tao amin’ny moske mahatsiaro an’Allah sy nidera Azy noho ny nitarihany azy ireo tamin’ny finoana Islam sy ny fanomezana azy ireo izany. Noho izany dia nangataka azy ireo sy nampianiana tahaky ny nataon'i Moawiyah (R.A) i Mpaminany (S.A.W). Avy eo niteny tamin'izy ireo i Mpaminany (S.A.W) ny antony nanontaniany sy ny fianianan'izy ireo : fa tonga teo aminy ny anjely Jibril (A.S) nilaza taminy fa Allah Tsitoha mirehareha momba azy ireo eo amin'ny anjely, ary asehony ny famindram-pony eo amin'izy ireo, asehony azy ireo koa ny asa soa ataonareo, ary midera anareo eo anatrehan'izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny voninahitr'i Moawiyah sy ny fahavononany haka tahaka ny irak'Allah amin'ny fampitana fahalalana.
  2. Azo atao ny mampianiana tsy misy fiampangana mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny vaovao.
  3. Ny fahasoavan'ny fivorina amin'ny fahatsiarovana an'Allah sy ny fahalalana, ary Allah dia tia azy ireo sy mirehareha amin'ny anjely.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية