1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ الدُّنْيَا حُلْوَةٌ خَضِرَةٌ، وَإِنَّ اللهَ مُسْتَخْلِفُكُمْ فِيهَا، فَيَنْظُرُ كَيْفَ تَعْمَلُونَ، فَاتَّقُوا الدُّنْيَا وَاتَّقُوا النِّسَاءَ، فَإِنَّ أَوَّلَ فِتْنَةِ بَنِي إِسْرَائِيلَ كَانَتْ فِي النِّسَاءِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2742

Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fiainana eto an-tany dia mamy amin'ny tsirony ary maitso eo amin'ny fahitana azy, noho izany dia lasa voafitaka ny olona iray, variana amin'izany ary nataony ho votoanton-draharaha amin'ny fiainany. Ary nataon’Allah hifandimby isika amin’ny fiainana eto an-tany, mba hijereny izay hataontsika, hankatò Azy ve isika sa tsy hankatò? Dia niteny izy : Mitandrema ianareo mba tsy ho voafitaky ny fahafinaretana sy ny haingo eto an-tany, ka hitarika anareo izany handao izay nandidian’Allah anareo ary ho latsaka amin’izay nandrarany. Anisan'ny zava-dehibe indrindra izay tsy maintsy tandremana amin'ny fakam-panahy eto an-tany dia ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary io no fakam-panahy voalohany naharendrika ireo Zanak'Isiraely.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana amin'ny hitoetra ho mpatahotra hatrany ary tsy ho variana amin’ny endrika ivelan'ny fiainana eto an-tany sy ny haingoany asehony.
  2. Fitandremana amin'ny fakam-panahy eo amin'ny vehivavy, amin'ny alalan'ny fijerena na ny fankamorana amin'ny fifangaroany amin'ny lehilahy vahiny, na amin'ny fomba hafa ankoatr'izany.
  3. Ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy dia anisan'ny fakam-panahy lehibe indrindra eto an-tany.
  4. Ny fankana lesona avy amin’ireo vahoaka taloha, ka izay nitranga tamin'ireo zanak'Israel dia mety hanjo ny hafa ankoatr'izy ireo ihany koa.
  5. Ny fakam-panahy ataon’ny vehivavy, raha vady izy, dia mety hahatonga ny lehilahy handany mihoatra izay zakany, ka izany dia hahatonga azy tsy hanam-potoana amin’ny fikatsahana ny raharaha momba ny finoana, ary hahatonga azy ho potika amin’ny fikatsahana ny mahasoa eto an-tany, ary raha vahiny izy (tsy havana akaiky), dia mety ho fakam-panahy ho an'ilay lehilahy amin'ny alalan'ny fandrebirebeny azy sy ny fialany amin'ny fahamarinana raha mivoaka sy mifangaro aminy, indrindra raha mitanjatanjaka izy ireo, ary izany dia mety hitarika amin'ny fahalatsahana amin'ny fijangajangana amin'ny ambaratongany maro, ka ny mpino dia tokony hifikitra amin’Allah ary mangataka Aminy mba ho afaka amin’ny fakam-panahin'izy ireo.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية