1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضيَ اللهُ عنهما أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ يَقُولُ:
«اللهُمَّ لَكَ أَسْلَمْتُ، وَبِكَ آمَنْتُ، وَعَلَيْكَ تَوَكَّلْتُ، وَإِلَيْكَ أَنَبْتُ، وَبِكَ خَاصَمْتُ، اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِعِزَّتِكَ، لَا إِلَهَ إِلَّا أَنْتَ أَنْ تُضِلَّنِي، أَنْتَ الْحَيُّ الَّذِي لَا يَمُوتُ، وَالْجِنُّ وَالْإِنْسُ يَمُوتُونَ».

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Allah ô! Tsy milavolefona aho afa-tsy Aminao, sy Ianao ihany no inoako, Ianao ihany no itokiako, Ianao ihany no iverenako (ibebahako) ary noho Ianao ihany no iadiako. Allah ô! mitady fiarovana amin'ny Voninahitrao, tsy misy Tompo marina afa-tsy Ianao, mba tsy havilinao làlana aho; Ianao no ilay Velona tsy mba maty, ny Djiny sy ny olombelona dia ho faty avokoa".

Mari-pototra متفق عليه، وهذا لفظ مسلم ورواه البخاري مختصرًا Sahìh Moslim - 2717

Ny fanazavana

Iray amin'ireo fitalahoan'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : (Allah ô, nanetry tena Aminao aho) ary nanaiky, (ary nino Anao aho) ary nino sy nanamafy, (Aminao no ametrahako ny fitokiako) ary nanankinana sy nianteherako, (Ary ianao no ibebahanako) ary niverenako sy noekeko, (Ary taminao no nifamaliako) ary nifandirako tamin’ny fahavalonao, (Allah ô, izaho mangataka fialofana aminao) miverina aminao, (amin’ny voninahitrao), amin’ny fiarovanao sy amin’ny fandresenao. (Tsy misy andriamanitra afa-tsy Ianao) ary tsy misy ivavahana marina afa-tsy Ianao, (izay mamitaka ahy) hizotra amin’ny fitarihana sy ny fahombiazana ho amin’ny fahafaham-ponao, (Ianao no Ilay Velona tsy maty) ary tsy ho levona, (ary maty avokoa ny jiny sy ny olombelona).

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-ara-dalàna ny fanolorana fiderana an'I Allah mialohan'ny hangatahanao aminy isaky ny mitady zavatra aminy ianao.
  2. Voadidy ny fianteherana amin’I Allah Tsitoha irery ary fangatahana fiarovana Aminy. Satria Izy no niavaka tamin’ny toetran’ny fahalavorarina, dia Izy irery ihany no azo ianteherana, ary ny zavaboary rehetra dia tsy afa-manoatra sy voafatotra amin’ny fahafatesana, ka tsy mendrika ny hianteherana.
  3. Manaraka ny ohatra nasehon'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fitalahoana amin'ireo teny feno sy lafatra izay maneho ny fahamarinan'ny finoana sy ny fahatokiana tanteraka.
  4. Hoy i Al-Sindi : Ny teniny (Ianao no velona) dia midika hoe : Ianao no tokony hangatahana fiarovana fa tsy olon-kafa.

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية