عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«كُلُّ أُمَّتِي مُعَافًى إِلَّا المُجَاهِرِينَ، وَإِنَّ مِنَ المُجَاهَرَةِ أَنْ يَعْمَلَ الرَّجُلُ بِاللَّيْلِ عَمَلًا، ثُمَّ يُصْبِحَ وَقَدْ سَتَرَهُ اللَّهُ عَلَيْهِ، فَيَقُولَ: يَا فُلاَنُ، عَمِلْتُ البَارِحَةَ كَذَا وَكَذَا، وَقَدْ بَاتَ يَسْتُرُهُ رَبُّهُ، وَيُصْبِحُ يَكْشِفُ سِتْرَ اللَّهِ عَنْهُ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“Voavela avokoa ny vahoakako afa-tsy izay nanao ampahibemaso ihany. Ary anisan’ny fisehoana ampahibemaso, ny fanaovan'ny olona zavatra amin’ny alina, dia nosaronan’i Allah izany nefa nony maraina, dia hoy izy : Nanao zavatra izao sy izao aho omaly, nefa ny tompony dia nanarona azy nandritra ny alina, ary nony maraina dia nesoriny ny fanakonan’i Allah azy”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6069

Ny fanazavana

Nazavainy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo meloka dia mety hahazo famelan-keloka sy ny famindram-po avy amin'i Allah, afa-tsy izay manambara ny fahotana amin'ny fomba feno fieboeboana sy avonavona ka tsy mendrika ny famelan-keloka. Satria nanao fahotana tamin'ny alina izy ka nosaronan'i Allah, fa rehefa tonga ny maraina, dia nilaza tamin'ny olona izy fa nanao fahotana toy izao sy izao omaly, nefa efa nosaronan'ny Tompony tamin'ny alina, saingy noesoriny ny fanaronan'IAllah azy nony tonga ny maraina!!

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ratsy ny fanehoana ampahibemaso ny fahotana taorian'ny nanaronan’I Allah ilay Tsitoha azy.
  2. Ny fanambarana ampahibemaso ny fahotana natao dia fanaparitahana fahalotoam-pitondrahan-tena eo amin’ny mpino.
  3. Izay nosaronan’i Allah teto an-tany, dia hosaroniny ihany koa any ankoatra, ary izany dia vokatry ny haben’ny famindrampon’I Allah Tsitoha amin’ny mpanompony.
  4. Izay tafanao fahotana dia tokony hanafina ny tenany ary mibebaka amin’i Allah.
  5. Ny halehiben'ny fahotan'ireo izay mpampiharihary ny fahotana ary tsy hahazo fahasitranana amin'ny tenany.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية