1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”

عن الْأَغَرِّ رضي الله عنه، وَكَانَ مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«يَا أَيُّهَا النَّاسُ تُوبُوا إِلَى اللهِ، فَإِنِّي أَتُوبُ فِي الْيَوْمِ إِلَيْهِ مِائَةَ مَرَّةٍ».

Tatitra azo avy tamin'i Al-Aghar, izay iray amin'ireo mpiaradian'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ry olombelona, ​​mibebaha amin’I Allah, fa izaho dia mibebaka Aminy in-jato isan’andro.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2702

Ny fanazavana

Mandidy ny olona hibebaka sy hikatsaka famelan-keloka betsaka ny Mpaminany (S.A.W), ary milaza ny momba ny tenany izy fa mibebaka amin'I Allah sy mangataka famelan-keloka mihoatra ny in-jato isan'andro, nefa efa voafafa ny fahotany teo aloha sy ny mbola ho avy, ary ao anatin’izany ny fanetren-tena sy ny fanompoana an'I Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny olona tsirairay, na inona na inona voninahiny sy ambaratongany amin’ny finoana, dia mila miverina amin’I Allah, ary mameno ny tenany amin’ny fibebahana, ary ny olona tsirairay dia tsy afabela manoloana lesoka amin’ny fanatanterahana ny zon’I Allah, Niteny I Allah manao hoe : Mibebaha amin’I Allah avokoa ianareo ry mpino).
  2. Amin’ny ankapobeny ny fibebahana, na avy amin’ny fanaovana fahotana voarara izany na noho ny fanaovana tsirambina ny adidy.
  3. Ny fahadiovam-po amin’ny fibebahana dia fepetra iray amin’ny fanekena izany, ka izay miala amin’ny fahotana amin’ny hafa ankoatra an’I Allah dia tsy voasokajy ho mpibebaka.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Misy fepetra telo ho an'ny fibebahana : Miala amin'ny fahotana, manenina tamin'ny fanaovana izany, ary manapa-kevitra hentitra ny tsy hamerina toy izany intsony. Fa raha mifandray amin'ny olombelona ny fahotana, dia misy fepetra fahefatra, dia ny hoe : Mamerina sy mifona amin'izay nanaovanao azy, na mahazo fahafahana madiodio aminy.
  5. Marihina fa ny fikatsahana famelan-keloka avy amin’ny Mpaminany dia tsy voatery ho noho ny fahotana vitany, fa noho ny fanompoany tanteraka sy ny firaiketam-pony amin’ny fahatsiarovana Azy, ary fahatsapany ny halehiben’ny zon’I Allah sy ny tsy fahatomombanan’ny mpanompo, na manao ahoana na manao ahoana, amin’ny fisaorana ny fahasoavany dia resaka lalàna ho an’ny vahoaka mandimby azy izany.

Fanehona ny dikanteny

45 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية