1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny fiantsoana sy ny fampatsiahivana

Hadith “Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo

عَنْ وَائِلٍ الْحَضْرَمِيِّ قَالَ: سَأَلَ سَلَمَةُ بْنُ يَزِيدَ الْجُعْفِيُّ رضي الله عنه رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ:
يَا نَبِيَّ اللهِ، أَرَأَيْتَ إِنْ قَامَتْ عَلَيْنَا أُمَرَاءُ يَسْأَلُونَا حَقَّهُمْ وَيَمْنَعُونَا حَقَّنَا، فَمَا تَأْمُرُنَا؟ فَأَعْرَضَ عَنْهُ، ثُمَّ سَأَلَهُ، فَأَعْرَضَ عَنْهُ، ثُمَّ سَأَلَهُ فِي الثَّانِيَةِ أَوْ فِي الثَّالِثَةِ، فَجَذَبَهُ الْأَشْعَثُ بْنُ قَيْسٍ، وَقَالَ: «اسْمَعُوا وَأَطِيعُوا، فَإِنَّمَا عَلَيْهِمْ مَا حُمِّلُوا، وَعَلَيْكُمْ مَا حُمِّلْتُمْ».

Tatitra azo avy tamin'i Wael Al-Hadrami, niteny hoe : Nanontany an'ny Mpaminany - (S.A.W) i Salama bin Yazid Al-Ja'fi (R.A) manao :
Ry mpaminanin’I Allah ô, raha misy mpitondra eo aminay, maka aminay ny amin’ny zony ary mandà tsy manome anay ny zonay, inona no handidianao anay? Dia niamboho izy, avy eo nanontany azy ihany, fa mbola niamboho izy, dia nanontany azy fanindroany na fanintelony. Teo dia nisintona azy i Al-Ash'ath ibn Qays ary niteny hoe : “Mihainoa ary mankatoava, Eny tokoa, fa izy ireny no hanontaniana amin'izay nataony ary anareo hanontaniana amin'izay noentinareo".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1846

Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) momba ireo mpitondra mitaky ny zony amin’ny vahoaka, toy ny fihainoana sy fankatoavana ary mandà ny zo tokony ho azy ireo,ohatra amin'ny fampiharana ny rariny, ny fizarana ny harena babo, ny famerenana zon'ny hafa sy ny fampitovina, ka inona no andidianao anay amin'izy ireo?
Koa niamboho i Mpaminany (S.A.W); toy ny hoe mankahala ireo olana ireo izy, saingy niverina tany aminy fanindroany sy fanintelony ilay nanontany azy, ka i Al-Ash’ath ibn Qays (R.A) no nandresy lahatra ilay nanontany azy mba hangina.
Namaly i Mpaminany manao hoe : Henoy izay lazainy ary ankatoavy ny didiny. Fa izy ireo no tompon'andraikitra amin'izay iampangana azy sy izay nanendrena azy, ny rariny sy ny fanomezana ny zo ho an'ny olom-peheziny, ary eo aminareo no iampangana anareo amin'ny fankatoavana, ny fanatanterahana ny zo ary ny faharetana manoloana ny olana sy ny fitsapana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny baiko amin'ny fihainoana sy fankatoavana ny mpitondra amin’ny toe-javatra rehetra izay mahafaly an’I Allah ilay Tsitoha, na dia tsy manatanteraka ny zon’ny olom-peheziny aza.
  2. Ny tsy fitandreman’ny mpitondra amin’ny adidiny dia tsy manala ny tsy fitandreman’ny vahoaka amin’ny adidiny ho setrin’izany. Tompon’andraikitra amin’ny asany ny tsirairay, ary tompon’andraikitra amin’ny lesoka.
  3. Ny finoana dia tsy mifototra amin'ny fifampiraharahana, fa amin'ny fanoloran-tena amin'ny zavatra tsy maintsy atao, na dia tsy mahavita izay adidiny aza ny hafa, araka ny voalazan'ity hadith ity.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية