1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny fiantsoana sy ny fampatsiahivana

Hadith Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay

عن عُبَادَةَ بن الصَّامتِ رضي الله عنه قال:
بَايَعْنَا رسولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم على السَّمْعِ وَالطَّاعَةِ فِي الْعُسْرِ وَالْيُسْرِ، وَالْمَنْشَطِ وَالْمَكْرَهِ، وعلى أَثَرَةٍ علينا، وعلى أَلَّا نُنَازِعَ الْأَمْرَ أهلَه، وعلى أَنْ نَقُولَ بِالْحَقِّ أينما كُنَّا، لا نَخَافُ في الله لَوْمَةَ لَائِمٍ.

Tatitra azo avy tamin'i O'bàdat bin Sàmit (R.A) niteny hoe :
Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay, tsy hifanditra ny raharaha amin'ny tompony, ary hilaza ny marina na aiza na aiza misy anay, Tsy hatahotra ny tsin'ny mpanome tsiny noho ny Allah.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1709

Ny fanazavana

Nanao fanekena tamin'ireo mpanara-diany ny Mpaminany (S.A.W) mba hanaiken'izy ireo ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin'ny mora sy ny sarotra, ary amin'ny fotoana mampanana sy mampahantra, na amin'ny mahafinaritra ny nofo na amin'ny halany izany baiko izany, eny fa na dia ny mpitondra fanjakana aza maka ny fananam-bahoaka ho azy sy manampatra ny fahefany, na amin'ny hafa ankoatr'izany, dia tsy maintsy mihaino sy mankatò azy ireo amin'ny zavatra tsara, ary tsy miala ambany fahefan'izy ireo, ny ady atao amin’izy ireo dia ratsy kokoa noho ny loza vokatry ny tsy rariny nataon’izy ireo, ary anisan'ny zavatra nifanaiken'izy ireo dia ny hilaza ny marina na aiza na aiza, amin’ny fahadiovam-po amin’Allah ary tsy matahotra izay hanome tsiny azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny vokatry ny fihainoana sy ny fankatoavana ny mpitondra dia ny fampiraisana ny tenin’ny samy mpino silamo sy ny fialana amin'ny fisaratsarahana.
  2. Voadidy ny mihaino sy mankato ireo mpitondra raha tsy ao anatin'ny fikomina an’Allah, amin’ny mora sy ny sarotra, amin'ny mampavitrika sy mahakamo, ary ny amin'ny fitiavan'izy ireo ny tenany noho ireo vahoakany, na ny fitiavany ny hafa noho ny hafa amin'ireo samy vahoakany.
  3. Voadidy ny milaza ny marina na aiza na aiza misy antsika, tsy tahotra tsinin'ny mpanome tsiny noho ny amin’Allah.

Fanehona ny dikanteny

62 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية