عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«اللهُمَّ أَصْلِحْ لِي دِينِي الَّذِي هُوَ عِصْمَةُ أَمْرِي، وَأَصْلِحْ لِي دُنْيَايَ الَّتِي فِيهَا مَعَاشِي، وَأَصْلِحْ لِي آخِرَتِي الَّتِي فِيهَا مَعَادِي، وَاجْعَلِ الْحَيَاةَ زِيَادَةً لِي فِي كُلِّ خَيْرٍ، وَاجْعَلِ الْمَوْتَ رَاحَةً لِي مِنْ كُلِّ شَرٍّ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako, ary atsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny fivelomako, ary atsarao ho ahy ny ankoatra misy ny fieverenako, ary ataovy ny fivelomana ho feno hatsarana rehera, ary ny fahafatesana no fialan-tsasatra amin'ny ratsy rehetra".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2720

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan izay nanangonany ny loharanon'ny fitondran-tena tsara izay nanirahana azy mba hameno izany. Izy ireo dia ny fahatsaran'ny finoana, sy ny eto an-tany, ary ny any ankoatra, dia nofeheziny tao anatin'io fanambarana fohy io, dia nahazo ny fahatsarana anakitelo. Ary nanomboka tamin'ny fahatsaran'ny finoana satria amin'io no hahazoana ny hatsaran'ny tontolo roa, ka niteny izy hoe :
(Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako) mba omenao fanamaivanana amin'ny fampandehanana amin’ny fomba feno fahalalam-pomba.
(izay fiarovana ny raharahako) ary mpiaro ny raharahako rehetra, raha simba ny finoako dia simba ny raharahako rehetra, ary diso fanantenana aho sy maty antoka, Satria tsy tanteraka ny fahatsarana izay irina amin’ny finoana raha tsy amin’ny alàlan’ny eto an-tany ka hoy izy :
(Ary atsarao ho ahy ny tontoloko) amin’ny fanomezana ahy fahasalaman'ny vatana, fandriam_pahalemana, anjaram-pivelomana, vady hendry, taranaka tsara, ary izay rehetra ilaiko, dia ho ara-dalàna izany ary hanampy ahy hankato Anao, Avy eo izy dia nilaza ny fialan-tsiny tamin'ny fanontaniany momba ny fanatsarana tamin'ny filazana hoe :
(izay misy ny fivelomako), ny toerana misy ahy sy ny fotoana iainako.
(Ary atsarao ny fiainako any ankoatra izay misy ny fiverenako) Ary hiverina hihaona Aminao aho, amin’ny asa soa, sy fanomezan’I Allah fahombiazana ny mpanompo amin’ny fanompoana sy ny fahadiovam-po, ary ny fiafarana tsara.
Nametraka ny fiainany ankoatra i Mpaminany (S.A.W) aorian'ny fiainana eto an-tany; satria ny voalohany dia fitaovana entina manitsy ny faharoa. Ka izay nahitsy amin'ny fiainany eto an-tany dia ho maivana ny hahazo ny tian'I Allah, ary mahitsy ihany koa ny any an-koatra ary ho sambatra.
(Ary ataovy ny fiainana) sy ny fahalavam-piainana (fampitomboana ho ahy amin'ny zava-tsoa rehetra) izay hahamaro ny asa soa, (ary ataovy ny fahafatesana) sy ny fanafainganana azy (fialan-tsasatra ho ahy amin'ny ratsy rehetra) ny fakam-panahy, ny fitsapana, ary ny fahotana ary ny tsy fitandremana, ary ny fanafahana amin’ny fahasahiranana sy ny fahorian’izao tontolo izao, ary ny fahazoana fampiononana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny finoana no zava-dehibe indrindra; Izany no nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) Doan ho azy.
  2. Ny finoana dia fiarovana ho an'ny olona iray ary miaro azy amin'ny ratsy rehetra.
  3. Ny Doan ho an'ny raharahan'izao tontolo izao dia noho ny fanatsarana ny fiainana eto an-tany sy ny fiainana any ankoatra.
  4. Tsy maninona ny maniry ny ho faty noho ny tahotra amin'ny fitsapana eo amin’ny finoana, na ny mangataka amin’Allah mba ho faty ho maritiora.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية