1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany

عن علي رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«رُفِعَ الْقَلَمُ عن ثلاثة: عن النائم حتى يَسْتَيْقِظَ، وعن الصبي حتى يَحْتَلِمَ، وعن المجنون حتى يَعْقِلَ».

Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".

Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 4403

Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa voasoratra amin'ny zanak'i Adama ny adidy, afa-tsy ireo olon_telo ireo :
Zaza kely mandra-pahalehibeny ka tonga olon-dehibe.
Ary amin'ny olona adala izay very saina mandra-piverin'ny sainy.
Ary ny olona matory mandra-pifohany.
Efa nesorina tamin’izy ireo ny adidy, ary tsy voarakitra an-tsoratra momba azy ireo ny fahotany, fa ny fahatsarana kosa dia voarakitra an-tsoratra ho an’ny zaza kely, fa tsy ho an’ny adala na ho an’ny olona matory. Satria izy roa ireo dia tsy ao anaty sehatr'ireo olona mety aminy ny fanompoany noho ny fanjavonan'ny fahatsapana eo aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahaverezan'ny fahafahan'ny olona iray dia mitranga na noho ny torimaso, izay manakana azy tsy hifoha amin'ny fanatanterahana ny andraikiny, na noho ny fahakelin'ny taonany sy ny fahazazany, izay mahatonga azy tsy ho mpanatanteraka, na noho ny zavatra nanjo azy toy ny hamamoana. Ka izay very fanavahana sy fiheverana marina, dia very aminy ny maha tompon'andraikitra azy noho ny iray amin'ireo antony telo ireo. Fa Allah noho ny fananany rariny sy fandeferany ary ny fahalalahan-tànany, dia nanafaka ny olona tamin’ny fanamelohana amin'izay fandikan-dalàna na tsy fitandremana ataony amin’ny zon'I Allah.
  2. Ny tsy fanoratana ny fahotan’izy ireo dia tsy mifanohitra amin’ny fanamafisan’ny didy eto an-tany momba azy ireo; Toy ny adala, raha namono olona, dia tsy misy sazy na fanonerana ho azy, ary ny havany salama saina no mandoa ny onotra.
  3. Misy famantarana telo ny fahampian-taona : ny fivoahan'ny tsirin'aina, ny nofy mando na ny famantarana hafa, ny fanirin'ny volo miafina, na ny fahafenoan'ny dimy ambin'ny folo taona, misy fahefatra fanampiny ny momba ny vehivavy dia ny : tonga fotoana.
  4. Nilaza i Sobki : Ny zaza dia ny zazalahy , niteny ny hafa : Ny zaza ao an-kibon-dreniny dia antsoina hoe vohoka raha teraka izy dia zaza, ary raha nitombo izy dia zazalahy hatramin'ny fito taona, dia tonga izy zaza tsy ampy taona hatramin'ny folo, avy eo tanora hatramin'ny dimy ambin'ny folo taona, ary ny azo antoka kokoa dia ny fiantsoana azy hoe zazalahy amin'ireo tranga rehetra ireo, hoy i Soyoti.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية