1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”

عَنْ بَهْزِ بْنِ حَكِيمٍ عَنْ أَبِيهِ عَنْ جَدِّهِ قَالَ:
قُلْتُ يَا رَسُولَ اللَّهِ: مَنْ أَبَرُّ؟ قَالَ: «أُمَّكَ، ثُمَّ أُمَّكَ، ثُمَّ أُمَّكَ، ثُمَّ أَبَاكَ، ثُمَّ الْأَقْرَبَ فَالْأَقْرَبَ».

Tatitra azo avy tamin'i Bahz ibn Hakim, tamin'ny rainy, tamin'ny raibeny, niteny manao hoe :
Hoy aho, ry irak'Allah : Iza no hajaiko indrindra? Dia namaly izy hoe : “Reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny reninao, avy eo ny rainao, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra.”

Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 5139

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona mendrika hajaina indrindra sy hanaovana asa soa ary iarahana amin'ny hatsarana sy fahaiza-miaina sns : iny, dia ny Reny, ary nanantitrantitra ny zon’ny reniny tamin’ny hafa izy tamin’ny famerimberenana izany intelo. Mba hanehoana ny maha-ambony azy amin'ny olon-kafa rehetra tsy an-kanavaka. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) nanazava hoe iza no olona tokony hajaina manaraka : Avy eo ny ray, avy eo ny akaiky indrindra, ary ny akaiky indrindra amin'ny havany, ary ny akaiky kokoa azy no mifandray akaiky kokoa noho ny lavitra indrindra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hadith dia manome laharam-pahamehana ny reny, avy eo ny rainy, avy eo ny havana akaiky indrindra sy ny akaiky, araka ny ambaratongan’ny fifandraisan’izy ireo.
  2. Fanambarana ny voninahitry ny ray aman-dreny ary indrindra ny reny.
  3. Naveriny in-telo tao tao amin'ny Hadith ny hoe : “Aoka ho tsara fanahy amin’ny reny ianao”. Izany dia noho ny halehiben'ny fankasitrahany ny zanany, ary noho ny fahasahiranana sy ny havizanana ary ny fahasarotana maro izay iaretany mandritra ny fitondrana vohoka, avy eo ny fiterahana, ary eo amin'ny fampinonoana, izay miavaka amin'ny reny, ary avy eo dia mizara amin'ny rainy izy amin’ny fitaizana.

Fanehona ny dikanteny

42 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية