1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”

عَنْ أُبَيِّ بْنِ كَعْبٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لاَ تَسُبُّوا الرِّيحَ، فَإِذَا رَأَيْتُمْ مَا تَكْرَهُونَ فَقُولُوا: اللَّهُمَّ إِنَّا نَسْأَلُكَ مِنْ خَيْرِ هَذِهِ الرِّيحِ وَخَيْرِ مَا فِيهَا وَخَيْرِ مَا أُمِرَتْ بِهِ، وَنَعُوذُ بِكَ مِنْ شَرِّ هَذِهِ الرِّيحِ وَشَرِّ مَا فِيهَا وَشَرِّ مَا أُمِرَتْ بِهِ».

Tatitra azo avy amin'i Obay ibn Ka'b (R.A), Niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe :
“Aza manompa na manozona ny rivotra, fa rehefa mahita izay halanao ianao, dia lazao hoe : Allah ô, mangataka aminao ny soa ho entin’ity rivotra ity izahay, ny soa amin’izay ao anatiny, ary ny soa ho an’izay nandidianao azy, Ary mangataka fiarovana aminao amin’ny faharatsian’ity rivotra ity sy ny faharatsian’izay ao anatiny ary ny faharatsian’izay nandidianao azy”.

Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì Sonan At-Tirmizì - 2252

Ny fanazavana

Nandrara ny fanompana na fanozonana ny rivotra i Mpaminany (S.A.W) satria izy io nodidin'ny Mpamorona azy, mitondra famindram-po sy famaizana, ary ny fanozonana azy dia fanozonana an’I Allah ilay Mpamorona azy, ary tsy faly amin’ny didiny. Avy eo nanoro hevitra i Mpaminany (S.A.W) mba hiverina amin’I Allah ilay Mpamorona ny rivotra amin’ny fangatahana ny fahasoavanany sy ny fahasoavana amin’izay ao anatiny, ary ny tsara indrindra amin’izay nalefany dia toy ny fiavian’ny orana sy ny famindrana zavatra entiny, sy ny toy izany. Ary mitady fiarovana amin'I Allah amin'ny faharatsiany, ny faharatsian'ny ao anatiny, ary ny faharatsian'ny zavatra noentiny, toy ny fandringanana ny zavamaniry sy ny hazo, ny fandringanana ny biby fiompy, ny fandravana trano, sy ny toy izany, ary amin’ny alàlan'ny fangatahana izany no misy fahatanterahan’ny fanompoana an’I Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana amin'ny fanozonana ny rivotra; Satria zavaboary voairaka izy io, ka miverina amin'ny Mpamorona sy Mpanome azy ny faniratsirana nataonao, ary izany dia tsy fahampian'ny finoana.
  2. Fiverenana amin’I Allah sy fitadiavana fialofana Aminy amin’ny faharatsian’ny zavatra noforoniny.
  3. Ny rivotra dia voabaiko amin'ny soa, ary izy koa voabaiko amin'ny ratsy.
  4. Hoy Ibn Baz : Ny fanozonana ny rivotra dia anisan’ny fahotana; Satria zavaboary voadidy hitondra ny tsara sy ny ratsy; Tsy azo atao ny manozona izany, na ny miteny hoe : Ozon'I Allah anie aminao ry rivotra, na Allah anie hamono ny rivotra, na Allah anie tsy hitahy ity rivotra ity, na toy izany, ny mpino dia tokony hanao izay lazain’ny Mpaminany (S.A.W).
  5. Ny fanoharana amin’ny rivotra amin’ny fandrarana ny fanompana sy ny fanozonana dia mifandray amin’ny hafanana, ny hatsiaka, ny masoandro, ny vovoka, ary ny zavatra hafa izay noforonin’I Allah sy harindrany.

Fanehona ny dikanteny

47 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية