1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina

عَنْ أَبَانَ بْنِ عُثْمَانَ قَالَ: سَمِعْتُ عُثْمَانَ ابْنِ عَفَّانَ رضي الله عنه يَقُولُ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«مَنْ قَالَ بِسْمِ اللَّهِ الَّذِي لَا يَضُرُّ مَعَ اسْمِهِ شَيْءٌ، فِي الْأَرْضِ، وَلَا فِي السَّمَاءِ، وَهُوَ السَّمِيعُ الْعَلِيمُ، ثَلَاثَ مَرَّاتٍ، لَمْ تُصِبْهُ فَجْأَةُ بَلَاءٍ، حَتَّى يُصْبِحَ، وَمَنْ قَالَهَا حِينَ يُصْبِحُ ثَلَاثُ مَرَّاتٍ، لَمْ تُصِبْهُ فَجْأَةُ بَلَاءٍ حَتَّى يُمْسِيَ»، قَالَ: فَأَصَابَ أَبَانَ بْنَ عُثْمَانَ الْفَالِجُ، فَجَعَلَ الرَّجُلُ الَّذِي سَمِعَ مِنْهُ الْحَدِيثَ يَنْظُرُ إِلَيْهِ، فَقَالَ لَهُ: مَا لَكَ تَنْظُرُ إِلَيَّ؟ فَوَاللَّهِ مَا كَذَبْتُ عَلَى عُثْمَانَ، وَلَا كَذَبَ عُثْمَانُ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَلَكِنَّ الْيَوْمَ الَّذِي أَصَابَنِي فِيهِ مَا أَصَابَنِي غَضِبْتُ فَنَسِيتُ أَنْ أَقُولَهَا.

Tatitra azo avy tamin'i Abana bin Othman, izay nilaza hoe : Nandre an'i Othman bin Affan (R.A) aho niteny hoe : Nandre ny irak'Allah (S.A.W) aho niteny manao hoe :
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina, ary izay miteny an'izany intelo amin’ny maraina dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-paharivan’ny andro". Hoy izy : Narary i Abana bin Othman, ka nibanjina azy ilay lehilahy nandre ny hadith taminy, dia hoy izy hoe : Nahoana no mijery ahy ianao? Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) koa i Othman, fa tamin'ny andro nisehoan'ny zava-nitranga tamiko dia tezitra aho ka nanadino ny nilaza izany.

Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 5088

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny isan'ny maraina aorian'ny mangiran-dratsy sy amin'ny takariva alohan'ny filentehan'ny masoandro in-telo : (Amin'ny anaran'I Allah) mitady fanampiana sy miaro ny tenako aho amin'ny zavatra manimba rehetra (Izay tsy afaka manisy ratsy) ny fanononana (ny anarany) na inona na inona (zavatra) na inona na inona (eto an-tany) sy ny loza mipoitra avy aminy (na any an-danitra) ary ny loza midina avy any izany (Izy no Mpihaino) ny tenintsika (Ilay Mahalala ny zava-drehetra) momba ny toe-javatra misy amintsika.
Izay miteny izany amin'ny hariva dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-maraina, ary izay miteny izany amin'ny maraina dia tsy ho voan'ny loza tampoka mandra-paharivan'ny andro.
Koa voan'ny aretina i Aban bin Othman, ilay mpitantara ny hadith, fahalemen'ny iray amin’ireo tapany roa amin’ny vatana ilay izy, ka talanjona ilay lehilahy nandre ny resaka taminy! Hoy izy tamin-dralehilahy : Nahoana no mijery ahy ianao?! Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) i Othman (R.A), fa tamin'ny andro nitranga tamiko izay notendren'I Allah ho lazaiko, dia tezitra aho ka nanadino niteny ireo teny voalaza ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny mamaky io tonom_bavaka io amin'ny maraina sy hariva; mba ho voaro ny olona, ​​raha sitrak’Allah, tsy ho tratran’ny loza tampoka, na fahorina, na haratsiana, na ny toy izany.
  2. Ny tanjaky ny finoana an'I Allah sy ny finoan'izy ireo ny zavatra nolazain'ny irak'Allah (S.A.W).
  3. Iray amin'ireo tombotsoa azo avy amin'ny fifikirana ny tonom_bavaka amin'ny maraina sy ny hariva dia ny manala ny tsy fahadidian'ny mpino silamo ary mampahatsiahy azy tsy tapaka fa mpanompon'I Allah ilay Tsitoha izy.
  4. Araka ny halehiben’ny finoan’ny mpahatsiaro an’Allah, ny fanetren-tenany, ary ny fisian’ny fony, amin’ny fahadiovam-po sy ny fahatokiana, dia ho tanteraka ny vokatry ny fahatsiarovana.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية