1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيَّ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ -وَكَانَ غَزَا مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ ثِنْتَيْ عَشْرَةَ غَزْوَةً- قَالَ: سَمِعْتُ أَرْبَعًا مِنَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَعْجَبْنَنِي، قَالَ:
«لاَ تُسَافِرِ المَرْأَةُ مَسِيرَةَ يَوْمَيْنِ إِلَّا وَمَعَهَا زَوْجُهَا أَوْ ذُو مَحْرَمٍ، وَلاَ صَوْمَ فِي يَوْمَيْنِ: الفِطْرِ وَالأَضْحَى، وَلاَ صَلاَةَ بَعْدَ الصُّبْحِ حَتَّى تَطْلُعَ الشَّمْسُ، وَلاَ بَعْدَ العَصْرِ حَتَّى تَغْرُبَ، وَلاَ تُشَدُّ الرِّحَالُ إِلَّا إِلَى ثَلاَثَةِ مَسَاجِدَ: مَسْجِدِ الحَرَامِ، وَمَسْجِدِ الأَقْصَى، وَمَسْجِدِي هَذَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Saì'd Al-Khodri (R.A) -dia niaraka nanao ady masina roa ambin'ny folo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) - dia hoy izy : Nandre zavatra efatra avy amin'ny Mpaminany (S.A.W) aho ka nahafinaritra ahy, niteny izy :
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1995

Ny fanazavana

Nandrara zavatra efatra ny Mpaminany (S.A.W) :
Ny voalohany dia ny : Manakana ny vehivavy tsy handeha lavitra mandritra ny roa andro tsy miaraka amin'ny vadiny na ny iray amin’ireo fady azy, izany dia havany fady azy mandrakizay, toy ny zanakalahy, ray, zana-drahalahy, zanaky ny anabavy, dadatoan-dray, rahalahan-dray, sy ny toy izany.
Ny faharoa : Fandrarana amin’ny fifehezana amin'ny andro Eid al-Fitr sy ny Eid al-Adha, na dia fifehezana noho ny voady, na an-tsitrapo, na ny fanonerana trosa.
Ny fahatelo : Voarara ny manao soalat an-tsitrapo aorian’ny vavaka Asri mandra-pilentiky ny masoandro, ary aorian’ny vavaka maraina Fajri mandra-piposahan’ny masoandro.
Ny fahefatra : Voarara ny mandeha any amin’ny toerana ka mino ny fahamasinany sy finoana ny fitomboan'ny fahasoavana azo avy aminy, ankoatra ireo moske telo ireo, koa tsy azo atao ny mandeha any amin’ny toerana hafa mba hivavaka hahazoana fahasoavana, satria tsy hitombo ny valisoa raha tsy ao amin'ireo moske telo ireo dia ny Moske Haram, ny Moske Mpaminany ary ny Moske Al-Aqsa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy azo ataon'ny vehivavy ny mandeha manao dia lavitra raha tsy miaraka amin'ny olona fady azy.
  2. Ny vehivavy dia tsy azo lazaina ho mpiahy ny vehivavy rehefa mandeha; noho ny teniny manao hoe : “Ny vadiny na olona fady azy”.
  3. Ny rehetra antsoina hoe dia lavitra, dia voarara ny vehivavy ny handeha tsy miaraka amin'ny vadiny na olona fady azy, fa ity Hadith ity dia araka ny toe-javatra nisy tamin'ilay mpanontany sy ny toeram-ponenany.
  4. Ny mpiahy ny vehivavy amin'ny dia lavitra (mahram) dia ny vadiny na ny olona tsy afaka manambady azy mandrak'izay noho ny fihavanany aminy, toy ny ray, zanaka, rahalahan-dray, na dadatoan-dray, na noho ny fihavanany aminy ara-pinonoana, toy ny ray amin’ny fampinonoana sy ny dadatoan-dray amin’ny fampinonoana, na amin'ny alàlan'ny fanambadiana, toy ny rain'ny lehilahy, tsy maintsy mpino silamo ampy taona, salama saina, azo itokisana. Ny tanjon'ny olo-pady dia ho fiarovana ilay vehivavy sy antoka ho azy, ary fanampiana azy.
  5. Ny lalàna Islamika dia miahy ny vehivavy, miaro ary mikarakara azy ireo.
  6. Ny vavaka an-tsitrapo (Soalat sonnah) tanterahina aorian'ny soalat Fajr sy Asr dia tsy manan-kery, afa-tsy ny fanoloana ireo vavaka dimy, ary noho ny antony toy ny soalat fiarahabana ny moske sy ny toy izany.
  7. Voarara ny mivavaka aorian’ny fiposahan’ny masoandro avy hatrany, fa tokony miandry kely toy ny refin'ny avon'ny lefona, manodidina ny folo minitra ka hatramin’ny ampahefak'adiny.
  8. Ny fotoana ivavahana Asri dia mitatra hatramin'ny filentehan'ny masoandro.
  9. Azo atao arak'izany ny mandeha mankany amin'ireo moske telo ireo ho dia ara-pinoana.
  10. Ny hasin'ireo moske telo ireo sy ny fiavahany manoloana ny hafa.
  11. Tsy azo atao manokana dia handeha hamangy fasana, na dia fasan’ny Mpaminany (S.A.W) aza izany, fa azo atao kosa ny mitsidika azy ho an’izay ao Madina, na tonga tany amin’ny izy noho ny tanjona ara-dalàna na mety.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية