1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي لله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَا يَفْرَكْ مُؤْمِنٌ مُؤْمِنَةً، إِنْ كَرِهَ مِنْهَا خُلُقًا رَضِيَ مِنْهَا آخَرَ» أَوْ قَالَ: «غَيْرَهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.” Na koa hoy izy hoe : “ankoatrany”.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1469

Ny fanazavana

Nandrara ny lehilahy tsy hankahala ny vadiny loatra ny Mpaminany (S.A.W) izay mitarika amin’ny tsy rariny sy ny fandaozana ary ny fialana aminy. Ny olona dia tsy afa-miala amin'ny tsy fahalavorariana, ​​ary raha mankahala toetra ratsy iray izy dia mahita toetra tsara hafa ao aminy. Ka afa-po amin’ny tsara mifanaraka aminy izy, ary miaritra amin’ny ratsy izay tsy tiany, izay mahatonga azy hiaritra sy tsy hankahala azy loatra ka hanosika azy hiala aminy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fiantsoana ny mpino ho amin’ny rariny sy ny fitsaran'ny saina amin’izay fifandirana miseho amin’ny vadiny, ary tsy mirona amin’ny fihetseham-po sy ny hafanam-po miserana.
  2. Ny fomban'ny mpino dia tsy mankahala tanteraka ny vehivavy mpino ka hanosika azy hisaraka aminy, fa ny tokony hataony dia hamafa ny zavatra halany amin'ilay tiany.
  3. Famporisihana ny fahaiza-miaina tsara sy ny fiarahana eo amin'ny mpivady.
  4. Miantso any amin'ny fitondran-tena tsara ny finoana, ka tsy tokony misy mpino lahy na vavy tsy manana toetra tsara. Ny finoana dia mitaky ny fisian’ny toetra mendri-piderana ao aminy.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية