1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam)

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِذَا شَكَّ أَحَدُكُمْ فِي صَلَاتِهِ، فَلَمْ يَدْرِ كَمْ صَلَّى ثَلَاثًا أَمْ أَرْبَعًا، فَلْيَطْرَحِ الشَّكَّ، وَلْيَبْنِ عَلَى مَا اسْتَيْقَنَ، ثُمَّ يَسْجُدُ سَجْدَتَيْنِ قَبْلَ أَنْ يُسَلِّمَ، فَإِنْ كَانَ صَلَّى خَمْسًا شَفَعْنَ لَهُ صَلَاتَهُ، وَإِنْ كَانَ صَلَّى إِتْمَامًا لِأَرْبَعٍ كَانَتَا تَرْغِيمًا لِلشَّيْطَانِ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Said Al-Khodri (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W ) manao hoe :
“Raha misalasala ny amin’ny vavaka ataony ny iray aminareo, ka tsy fantany hoe telo sa efatra rakat vitany, dia aoka izy hanaisotra ny fisalasalana, ary hanao izay azony antoka, avy eo izy miankohoka indroa alohan’ny famaranana (salam), raha nivavaka dimy rakat izy, dia lasa isa azo zaraina noho ilay fiankohofana roa, ary raha feno efatra rakat ny vavaka nataony, dia ho fanakiviana an’i Satana izany".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 571

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misalasala ny amin'ny isany vavaka ataony ny olona iray ka tsy fantany hoe telo sa efatra? Dia aoka izy tsy hanampy isa izay mampisalasala azy; Ka ny telo no azo antoka, avy eo manao rakat faha efatra izy, aorian'izany dia miankohoka indroa mialohan’ny salam famaranana.
Raha efatra tokoa no rakat vita; dia lasa dimy tamin’ny rakat iray fanampiny, ary ny fiankohofana roa fanadinoana no hisolo ny rakat iray, ka lasa azo zaraina roa ny isa fa tsy "witr", fa raha feno efatra tamin'ilay rakat iray fanampiny ny swalat nataony, arak'izany dia nahavita izay tokony hataony izy, sady tsy mihoatra no tsy latsaka.
Ny fiankohofana anankiroa noho ny fanadinoana dia fanalam-baraka an’i devoly sy fandisoam-panantenana ho azy amin'ny tanjona nokendreny. Satria izy nampisafotofoto ilay vavaka, ary nanao ny fomba hanimbany izany. Feno tanteraka ny vavaky ny zanak’i Adama rehefa nanaraka ny didin’I Allah tamin'ny alàlan'ny fiankohofana, izay tsy nankatoavin’i losifera, rehefa izy tsy nety nankatò an’I Allah tamin'ny tsy nanekeny ny hiankohoka tamin’i Adama.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Raha misalasala tamin'ny vavaka nataony ny olona iray, ary tsy fantany ny tena izy amin'ireo zavatra roa mampisalasala azy, dia tokony hanaisotra ny fisalasalana izy ary hanao zavatra azo antoka, izany dia ny fakàna ny isa vitsy, ka tontosainy ny fivavahany sy miankohoka ho solon'ny fanadinoana izy mialohan'ny hanao Salam avy eo dia mamarana ny vavaka.
  2. Ireo fiankohofana anankiroa ireo dia fomba iray hanitsiana ny swalat, ary hamerenana an’i Satana ho amin’ny faty antoka sy ny henatra ary lavitry ny faniriany.
  3. Ny fisalasalana voalaza ao amin'ny Hadith dia ny tsy fananana toky na dia kely ny iray amin' ireo mampisalasala, ka raha misy ny ahiahy, nefa misy ihany koa ny itongilanan'ny saina, dia iny no raisina.
  4. Famporisihana hiady amin'ny fakam_panahy sy fanoherana azy amin'ny alalan'ny fanarahana ny baikon'ny lalàna.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية