1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”

عَن الحَسَنِ قال: حَدَّثنا جُنْدَبُ بْنُ عَبْدِ اللَّهِ رضي الله عنه، فِي هَذَا المَسْجِدِ، وَمَا نَسِينَا مُنْذُ حَدَّثَنَا، وَمَا نَخْشَى أَنْ يَكُونَ جُنْدُبٌ كَذَبَ عَلَى رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صلّى الله عليه وسلم:
«كَانَ فِيمَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ رَجُلٌ بِهِ جُرْحٌ، فَجَزِعَ، فَأَخَذَ سِكِّينًا فَحَزَّ بِهَا يَدَهُ، فَمَا رَقَأَ الدَّمُ حَتَّى مَاتَ، قَالَ اللَّهُ تَعَالَى: بَادَرَنِي عَبْدِي بِنَفْسِهِ، حَرَّمْتُ عَلَيْهِ الجَنَّةَ».

Tatitra azo avy tamin'i Al-Hasan niteny : Niteny taminay i Jondob bin Abdollah (R.A) tamin'ity moske ity, Tsy adinonay hatramin’ny nilazanay izany, ary tsy natahotra izahay sao i Jondob nandainga tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izay nilaza manao hoe :
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3463

Ny fanazavana

Nitatitra ny Mpaminany (S.A.W) fa tamin’ireo izay tonga teo alohanay dia nisy lehilahy iray izay naratra ary tsy nahazaka ny fanaintainana, ka nandray antsy izy ary nanapaka ny tànany tamin’izany, manafaingana ny fahafatesana dia tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny i Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny valisoan’ny faharetana eo anatrehan’ny fahoriana, ary ny fifadiana tsy ho sasatra amin’ny fanaintainana sao mitarika fanaintainana mafy kokoa.
  2. Ny firesahana momba ny vahoaka taloha, dia manambara ny tsara sy ny torohevitra.
  3. Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny fijoroana ho an'ny zon'I Allah sy ny famindram-pony amin'ny zavaboariny, satria nandrara azy ireo tsy hamono ny tenany Izy, ary an'Allah ny fanahy.
  4. Fandrarana ny fampiasana ny antony mahatonga ny famonoana tena, ary ny fandrahonana mafy amin'izany.
  5. Hoy I Ibn Hajar : Midika izany fa notapahiny ho an'ny fahafatesana izany fa tsy natao hitsaboana, izay mety hahasoa indrindra.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية