1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra

عَن عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ أَبِي لَيْلَى أَنَّهُمْ كَانُوا عِنْدَ حُذَيْفَةَ، فَاسْتَسْقَى فَسَقَاهُ مَجُوسِيٌّ، فَلَمَّا وَضَعَ القَدَحَ فِي يَدِهِ رَمَاهُ بِهِ، وَقَالَ: لَوْلاَ أَنِّي نَهَيْتُهُ غَيْرَ مَرَّةٍ وَلاَ مَرَّتَيْنِ -كَأَنَّهُ يَقُولُ: لَمْ أَفْعَلْ هَذَا-، وَلَكِنِّي سَمِعْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«لاَ تَلْبَسُوا الحَرِيرَ وَلاَ الدِّيبَاجَ، وَلاَ تَشْرَبُوا فِي آنِيَةِ الذَّهَبِ وَالفِضَّةِ، وَلاَ تَأْكُلُوا فِي صِحَافِهَا، فَإِنَّهَا لَهُمْ فِي الدُّنْيَا وَلَنَا فِي الآخِرَةِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abd Ar-Rahman ibn Abi Layla, tao amin'i Hodhayfah izy ireo, ary nangataka rano izy, ary nisy olona majosi (mpanompo afo) nanome azy rano hosotroiny, rehefa nametraka ny kaopy teny an-tànany izy dia nariany ary niteny hoe : Raha tsy noho ny tsy nandrara azy indray mandeha na indroa aho - toy ny te hiteny hoe : tsy nanao izany aho - saingy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) aho niteny manao hoe :
"Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5426

Ny fanazavana

Nandrara ny fitafina ny lamba landy amin'ny karazany rehetra ny Mpaminany (S.A.W). Ary norarany ireo lehilahy sy ireo vehivavy tsy hihinana sy hisotro amin’ny vilia volamena sy volafotsy. Nolazainy fa voatokana ho an’ny mpino izany amin’ny andro farany. Satria nanalavitra izany izy ireo teto an-tany noho ny fankatoavana an’Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia tsy manana anjara any ankoatra. Satria nanafaingana ny hatsarany izy ireo tamin’ny fiainany teto an-tany tamin’ny fakana izany, sy ny fikomin'izy ireo ny didin’Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny lehilahy tsy hitafy ny lamba landy sy lasoa, ary misy fandrahonana mafy ho an'izay mitafy azy.
  2. Ny vehivavy dia mahazo mitafy ny lamba landy sy lasoa.
  3. Fandrarana ny fihinanana sy ny fisotroana amin'ny lovia volamena sy volafotsy ary vilany ho an’ny lahy sy ny vavy.
  4. Hentitra tamin'ny fandavany i Hodhayfah, ka dia nanazava izany izy tamin'ny filazana fa efa nandrara azy mihoatra ny indray mandeha izy mba tsy hampiasa vilia volamena sy volafotsy, saingy tsy nijanona teo izy.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية