1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?”

عَنْ أَنَسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ:
أَنَّ رَجُلًا سَأَلَ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنِ السَّاعَةِ، فَقَالَ: مَتَى السَّاعَةُ؟ قَالَ: «وَمَاذَا أَعْدَدْتَ لَهَا». قَالَ: لاَ شَيْءَ، إِلَّا أَنِّي أُحِبُّ اللَّهَ وَرَسُولَهُ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: «أَنْتَ مَعَ مَنْ أَحْبَبْتَ». قَالَ أَنَسٌ: فَمَا فَرِحْنَا بِشَيْءٍ، فَرِحْنَا بِقَوْلِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَنْتَ مَعَ مَنْ أَحْبَبْتَ» قَالَ أَنَسٌ: فَأَنَا أُحِبُّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَأَبَا بَكْرٍ، وَعُمَرَ، وَأَرْجُو أَنْ أَكُونَ مَعَهُمْ بِحُبِّي إِيَّاهُمْ، وَإِنْ لَمْ أَعْمَلْ بِمِثْلِ أَعْمَالِهِمْ.

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny izy :
Nisy lehilahy iray nanontany ny Mpaminany (S.A.W) momba ny ora farany manao hoe : Rahoviana ny ora farany? dia namaly izy : “Mba inona no nomaninao ho amin’izany?” Hoy ilay rangahy : Tsy misy na inona na inona afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : "ianao dia miaraka amin'izay tianao". Hoy i Anas : Tsy nisy teny nahafaly anay mihoatra io tenin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Ianao dia miaraka amin’izay tianao". Mbola niteny i Anas manao hoe : "Tiako ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo aho noho ny fitiavako azy ireo, na dia tsy manao asa soa goavana toy ny nataon'izy ireo aza aho.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 3688

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) lehilahy iray tambanivohitra mipetraka any amin'ny tany efitra ny amin'ny ora hitsanganan'ny fitsarana?
Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Inona no asa soa nomaninao ho amin'izany?
Hoy ilay mpanontany hoe : Tsy nanomana asa lehibe ho amin’izany aho afa-tsy ny fitiavako an’I Allah sy ny irany, ary tsy nanonona fanompoana hafa atao amin'ny fo sy ara-batana, na ara-bola izy. Satria izany rehetra izany dia sampan’ny fitiavana, mifandraika aminy, ary satria ny fitiavana tena izy no manosika ny olona iray hiezaka hanao asa tsara.
Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : ianao dia miaraka amin'izay tianao any amin'ny paradisa.
Ka tena faly dia faly tamin'ity vaovao mahafaly ity ireo mpanara_dian'ny Mpaminany (S.A.W).
Avy eo dia niteny i Anasy fa izy dia mitia an'ny Mpaminany (S.A.W) sy i Abo Bakr ary i Omar, ary manantena ny hiaraka amin’izy ireo na dia tsy mitovy amin’ny asan’izy ireo aza ny asany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahendren’ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny famaliana ny mpanontany, amin’ny fitarihana azy amin’izay zava-dehibe kokoa sy mahavonjy azy, dia ny fiomanana amin’ny fiainana any ankoatra amin’izay mahasoa sy asa soa.
  2. Nafenin’i Allah tamin’ny mpanompony ny fahalalana ny Ora farany mba hahafahan’ny olona iray hiomana sy manomana ny fihaonana amin’I Allah.
  3. Ny hasin'ny fitiavana an'i Allah, ny irany, sy ny olo-marina eo amin'ny mpino, ary ny fampitandremana amin'ny fitiavana mpanompo sampy.
  4. Ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ianao dia miaraka amin'izay tianao. Dia tsy midika ho fitovian'ny ambaratonga sy toeram-boninahitra, fa ny hoe samy ao amin’ny Paradisa izy ireo mba hahafahan’ny tsirairay mifankahita, na dia lavitra aza ny toerana.
  5. Fanoroana ny mpino silamo mba hifantoka amin'izay tsara indrindra sy mahasoa azy, ary hiala amin'ny fanontaniana izay tsy mahasoa azy.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية