1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana

عَنْ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ غَدَاةَ الْعَقَبَةِ وَهُوَ عَلَى نَاقَتِهِ: «الْقُطْ لِي حَصًى» فَلَقَطْتُ لَهُ سَبْعَ حَصَيَاتٍ، هُنَّ حَصَى الْخَذْفِ، فَجَعَلَ يَنْفُضُهُنَّ فِي كَفِّهِ وَيَقُولُ: «أَمْثَالَ هَؤُلَاءِ فَارْمُوا» ثُمَّ قَالَ: «أَيُّهَا النَّاسُ، إِيَّاكُمْ وَالْغُلُوَّ فِي الدِّينِ، فَإِنَّما أَهْلَكَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ الْغُلُوُّ فِي الدِّينِ».

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A), niteny manao hoe :
Hoy ilay Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsimpony vatokely aho.” Dia nitsimpona vato kely fito ho azy aho, izany ny vato kely fitorahina ao Akaba, dia nataony teo amin’ny felatànany izy ireo ka niteny izy manao hoe : “tahak'ireto no hitorahanareo.” Ary hoy izy : “Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".

Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màjah, Al-Nasàì ary Ahmad Sonan Ibn Màjah - 3029

Ny fanazavana

Mitantara i Ibn Abbas (R.A) fa niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy tamin'ny andro fanaovana sorona ny marain'ny nitoraham-bato an'i Jamarat al-Akaba nandritra ny Hajj fanaovam-beloma. Koa nasainy nanangona vatokely ho azy izy, ka nanangona vatokely fito ho azy, izay mitovy habe amin’ny voanjo na voa kely ny iray amin'izy ireo, dia napetrany teo amin'ny tànany ary nahetsiketsiny, dia niteny izy avy eo hoe : Mitovy habe amin'ireto no hitorahanareo, Avy eo dia nampitandrina mafy ny Mpaminany (S.A.W) amin’ny fihoaram-pefy sy ny fanenjanana loatra ary ny fanitarana loatra amin’ny resaka finoana, satria ny vahoaka teo aloha dia rendrika tamin’ny alàlan’ny fihoaram-pefy sy ny fihizingizinana diso tafahoatra teo amin’ny lafiny finoana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana amin'ny fihoaram-pefy amin'ny finoana, sy ny fanazavana ny voka-dratsy aterany, ary izy io no anton'ny faharendrehana.
  2. Fandinihana ireo vahoaka nialoha làlana antsika mba hialana amin’ny fahadisoana nataony.
  3. Famporisihana amin'ny fanarahana ny Sonnah.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية