1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ:
أَنَّ أَعْرَابِيًّا أَتَى النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: دُلَّنِي عَلَى عَمَلٍ إِذَا عَمِلْتُهُ دَخَلْتُ الجَنَّةَ، قَالَ: «تَعْبُدُ اللَّهَ لاَ تُشْرِكُ بِهِ شَيْئًا، وَتُقِيمُ الصَّلاَةَ المَكْتُوبَةَ، وَتُؤَدِّي الزَّكَاةَ المَفْرُوضَةَ، وَتَصُومُ رَمَضَانَ» قَالَ: وَالَّذِي نَفْسِي بِيَدِهِ لاَ أَزِيدُ عَلَى هَذَا، فَلَمَّا وَلَّى قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «مَنْ سَرَّهُ أَنْ يَنْظُرَ إِلَى رَجُلٍ مِنْ أَهْلِ الجَنَّةِ، فَلْيَنْظُرْ إِلَى هَذَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny :
Nisy tambanivohitra iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'i Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.” Hoy ilay rangahy : “Mianiana amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo an-tanany aho, tsy hanampy hafa ankoatr'izany ve aho. Rehefa lasa izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay tia hijery olon'ny Paradisa, dia aoka izy hijery io lehilahy io”. miaraka Aminy, ary manao ny vavaka kotobah, aloavy ny zakat, ary mifady hanina ny Ramadany.” Hoy izy: “Amin’Ilay eo an-tànan’ny fanahiko, tsy hanao mihoatra noho izany aho.” Izany, rehefa nodimandry izy, ny Mpaminany. , Andriamanitra anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, nanao hoe: “Na iza na iza te hijery lehilahy iray ao amin’ny Paradisa, aoka izy hijery an’ity.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1397

Ny fanazavana

Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nanatona ny Mpaminany (S.A.W) mba hanoro azy amin'ny asa izay hampiditra azy any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fidirana ao amin'ny Paradisa sy ny fahafahana amin'ny Afobe dia miankina amin'ny fanatanterahana ny andrin'ny finoana Islam, amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany ary ny tsy fampiombonana Azy amin'ny hafa. Ary fanatanterahana ny soalat dimy napetrak’Allah izay nandidiany ireo mpanompony andro sy alina. Ary mamoaka ny zakat amin'ny vola nodidin'i Allah aminao, ary omena an'izay mendrika azy. Ary mitandrina ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy ralehilahy : “Mianiana amin’ny alàlan’Ilay manana ny fofon'aiko eny an-tànany aho, dia tsy hanampy ny fanompoana intsony aho afa-tsy izay reko taminao”. Rehefa lasa izy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay manampanirina hijery ny olon'ny Paradisa dia aoka izy hijery ity tambanivohitra ity.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fanokanana an'i Allah ilay Tsitoha amin'ny fanompoam-pivavahana no zavatra voalohany hanombohana raha hiantso ny olona ho amin'I Allah.
  2. Ampy amin'ny fampianarana ireo olom-baovao amin'ny finoana silamo ny fampianarana ireo zavatra voadidy.
  3. Tsy maintsy mandeha ambaratongany ny fiantsoana amin’Allah Ilay Tsitoha.
  4. Fitiavan'ilay lehilahy sy fikirizany hianatra momba ny finoany.
  5. Raha mijanona amin'ireo zava-boadidy tsy maintsy atao ihany ny mpino silamo dia hahomby izy, saingy tsy midika izany hoe avela ireo fanompoana fanampiny an-tsitrapo. Satria ny asa fanampiny an-tsitrapo dia manonitra izay tsy ampy amin’ny vavaka tsy maintsy atao.
  6. Ny filazana manokana ny ampahan'ireo fanompoana dia porofon’ny maha zava-dehibe azy ireo sy ny maha-manan-danja azy, saingy tsy midika akory izany fa tsy voadidy ny hafa.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية