1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika

‌عَنْ ‌أَبِي ‌ذَرٍّ، ‌جُنْدُبِ ‌بْنِ ‌جُنَادَةَ، ‌وَأَبِي ‌عَبْدِ ‌الرَّحْمَنِ، ‌مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«اتَّقِ اللَّهَ حَيْثُمَا كُنْت، وَأَتْبِعْ السَّيِّئَةَ الْحَسَنَةَ تَمْحُهَا، وَخَالِقْ النَّاسَ بِخُلُقٍ حَسَنٍ».

Niteny Abo Zarr, Jondobo ibn Jonàdah, sy Abo 'Abdir-rahmàni, Mo'àz ibn Jabal (RA), fa ny Irakan'i Tompo Allah (S.W.A) dia Nilaza ka nanao hoe :
"Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".

قال الترمذي: حديث حسن Notantarain'i Al-Tirmizì الأربعون النووية - 18

Ny fanazavana

Nandidy zavatra telo i Mpaminany (S.W.A) : Voalohany dia : Ny fatahorana an'i Tompo Allah, izay tratrarina amin'ny alàlan'ny fanaovana ireo zavatra voadidy fa tsy maintsy atao sy ny fialana tanteraka amin'ireo zavatra rehetra voarara, na aiza na aiza, na amin'ny fotoana inona na amin'ny toe-javatra inona, na miafina na mibaribary ampahibemaso, na amin'ny fotoam-piadanana na amin'ny fahasahiranana, sy ny sisa. Faha-roa : Izany hoe raha manao fahotana ianao dia manaova asa soa avy hatrany aorian'izany, toy ny fanaovana ny vavaka soalat, fiantrana, hatsaram-panahy, fanohizana ny fifamatorana ara-pianakaviana, fibebahana, sy ny sisa, Satria izany no fomba mahomby etina hamafa ny fahotana sy ny fahadisoana. Faha-telo : Miarà-miasa ny amin' Olona amin'ny fomba sy toetra tsara feno hatsarana, toy ny mitsikitsiky Aminy, maneho ny hatsaram-panahy sy fahalemem-panahy, manao asa soa ary miala amin'ny fanaovana ny ratsy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavan'i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin'ny mpanompony dia ao amin'ny famindram-pony, ny famelan-keloka ary ny famelana ny fahadisoana avy Aminy ihany koa.
  2. Nahitana ireo zo faha-telo feno tao amin'ny Hadithe : ka ny Zon'I Tompo Allah dia ny amin'ny alàlan'ny fatahorana Azy, ary ny Zon'ny tena na ny vatana dia ny hanao asa tsara aorian'ny asa ratsy, ary ny Zon'ny Olona hoentina amin'ny fitondran-tena tsara.
  3. Ny famporisihana hanao ny asa tsara aorian'ny asa ratsy, ary ny toetra tsara dia iray amin'ireo toetran'ny fatahorana an'i Tompo Allah, ary voalaza mitokana izany noho ny filàna fanazavana azy.

Fanehona ny dikanteny

49 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
SQ Shqip Albany
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
KMR Kurmancî الكرمنجية