1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«دَعُونِي مَا تَرَكْتُكُمْ، إِنَّمَا هَلَكَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ بِسُؤَالِهِمْ وَاخْتِلَافِهِمْ عَلَى أَنْبِيَائِهِمْ، فَإِذَا نَهَيْتُكُمْ عَنْ شَيْءٍ فَاجْتَنِبُوهُ، وَإِذَا أَمَرْتُكُمْ بِأَمْرٍ فَأْتُوا مِنْهُ مَا اسْتَطَعْتُمْ».

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo , koa raha misy zavatra norarako anareo dia alaviro,fa izay nodidiko aminareo kosa dia ataovy arak'izay havitanareo azy".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 7288

Ny fanazavana

Nitanisa ireo lalàna silamika ny Mpaminany (S.A.W) ka nizara izany ho sokajy telo, dia ireto avy : Izay tsy nasiana resaka ny momba azy, sy ny nosakanana, ary ny nodidiana.
Ka ny voalohany dia : Izay tsy voalazan'ny lalàna: izany hoe tsy misy lalàna momba azy, ary ny lalàna fototra momba ny zavatra rehetra dia ny tsy terena ny fanaovana azy; Raha ny tamin’ny fotoan'ny Mpaminany (S.A.W), dia takina ny tsy hametrahana fanontaniana momba ny zavatra tsy misy akory noho ny tahotra sao hisy didy na fandrarana momba azy, satria Allah namela izany noho ny famindram-po ho an’ny mpanompony. Ary raha aorian’ny fahafatesan'ny Mpaminany (S.A.W) kosa ka raha ny fanontaniana momba lalànan'ny finoana na ho fampianarana momba ny zavatra ilaina amin'ny finoana, dia azo atao ary asaina hanao izany mihitsy, ary raha ao anatin’ny endriky kitoatoa na tia hanontanitany fotsiny, dia izany no voalaza fa tsy tokony hanontaniana araka ny voarakitra amin'ity hadith ity; Satria izany dia mety hitarika ho toy ny zava-nitranga tamin'ny Zanak'Israely, rehefa nasaina namono omby vavy izy ireo, ka raha namono omby vavy izy ireo dia nahavita ny adidy, saingy hentitra izy ireo, ka nihatra tamin'izy ireo ny sazy entitra.
Ny faharoa : ireo fandrarana; Izy ireo dia : Hahazo valisoa izay namela azy, ary hahazo sazy izay mpanao azy, ka tsy maintsy ialana avokoa izany.
Ny fahatelo : Ireo didy; Izay manao izany dia mahazo valisoa, ary voasazy izay manambela azy, ka tsy maintsy atao izany araka izay vita.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tokony hifantoka amin’izay zava-dehibe indrindra sy izay ilaina isika, ary hiala avy hatrany amin'izay tsy ilaina, ary tsy ho variana amin’ny fanontaniana momba izay tsy nitranga.
  2. Voarara ny mametraka fanontaniana izay mety hanasarotra ny toe-draharaha sy hanokatra varavarana ho any amin’ny fisalasalana izay hiteraka tsy fitovian-kevitra betsaka.
  3. Ny baiko mba hialana amin'ny voarara rehetra; Satria tsy misy fahasarotana ny fialana amin'izany, ary izany no nahatonga ny fandrarana amin'ny endrika ankapobeny.
  4. Baiko amin'ny hanatanterahana izay nandidiana arak'izay vita; Satria mety hisy fahasarotana ny amin'izany na koa tsy fahavitana azy; Noho izany dia natao araka izay vita.
  5. Fandrarana ny amin'ny fametrahana ny fanontaniana be loatra, efa nozarain'ireo manam-pahaizana ho roa ny fanontaniana : Ny iray amin'izy ireo: Izay fanontaniana rehetra napetraka noho ny fianarana ny zavatra ilaina momba ny finoana, takina ny hanaovana izany, ary tahaka izany ny fanontaniana nataon'ireo Mpanaradia (sahaba). Ary ny faharoa : Izay miendrika di-doha sy hanihany, ary izany ilay voarara.
  6. Fampitandremana an’ity vahoaka ity amin’ny tsy fankatoavana ny Mpaminaniny, toy ny nitranga tamin’ireo vahoaka teo alohany.
  7. Ny fanontaniana be loatra ka tsy ilaina sy ny fifandirana amin'ireo Mpaminany dia miteraka fahapotehana, indrindra amin'ny zavatra tsy takatra, toy ny: resaka momba ny zava-miafina tsy hita maso izay tsy misy mahafantatra azy afa-tsy Allah irery ihany, sy ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany.
  8. Fandrarana ny amin'ny fametrahana fanontaniana amin'ny raharaha sarotra, niteny Al-Aoza'i : Raha te hanaisotra ny fahasoavan'ny mpanompony amin'ny fahalalàna izy, dia alefany amin'ny lelany ny fifangaroana dia ho hitanao izy fa olona faran'izay kely fahalalana, ary hoy i Ibn Wahab : Izaho nandre an'i Malik niteny manao hoe : Ny fireharehana amin'ny fahalalana dia manala ny fahazavan'ny fahalalana ao am-pon'ny olona.

Fanehona ny dikanteny

61 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو