1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«إِيَّاكُمْ وَالظَّنَّ؛ فَإِنَّ الظَّنَّ أَكْذَبُ الْحَدِيثِ، وَلَا تَحَسَّسُوا، وَلَا تَجَسَّسُوا، وَلَا تَحَاسَدُوا، وَلَا تَدَابَرُوا، وَلَا تَبَاغَضُوا، وَكُونُوا عِبَادَ اللهِ إِخْوَانًا».

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mitandrema ianareo amin'ny ahiahy; Satria ny ahiahy no lainga indrindra amin'ny resaka Ary aza mifampitsikilo (tia hahalala zava-miafin'ny hafa), ary aza mifampitsikilo (tia hahalala ny kilema miafin'ny hafa), ary aza mifampialona, aza mifampiamboho, ary aza mifankahalala, ary meteza ianareo ho mpanompon’I Allah mpirahalahy.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6064

Ny fanazavana

Mandrara sy mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny zavatra sasantsasany izay mitarika fisaraham-bazana sy fifandrafiana eo amin'ny samy mpino silamo. Anisan'izany ny :
(Ny ahiahy) izany dia fiampangana atao ao am-po tsy misy porofo, ary nanazava izy fa izany dia anisan'ireo teny diso indrindra.
Momba ny "fitsikilovana": izany dia ny fikarohana tia hahalala ny zava-miafin'ny olona amin'ny alàlan'ny maso na ny sofina.
Ary (fitsikilovana) : Izany dia fikarohana ny zavatra miafina, ary matetika zavatra ratsy no resahina amin'izany.
Ary ny momba ny : (fialonana), izany dia ny fankahalana ny fahasoavana azon'ny hafa.
Ary ny amin'ny: (firafesana) izany dia ny fifanomezan'izy ireo lamosina, ka tsy mifampiarahaba na mifamangy ny rahalahiny silamo.
Ary momba ny : (fankahalana), fankahalana ary fankaratsiana, toy ny fanimbana ny hafa, ny fanehoana tava ratsy manoloana ny hafa, fandraisana olona amin'ny fomba ratsy.
Avy eo izy dia nilaza teny feno fampihavanana amin'ny samy mpino silamo hoe : (Ary aoka ho mpanompon'Allah mpirahalahy mifankatia ianareo) Ny firahalahiana dia tady manambatra ny fifandraisana eo amin'ny olona ary mampitombo ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana eo amin'izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy maninona ny manana ahiahy amin'ny olona efa manabaribary ny toe-dratsiny, ary ny mpino dia tokony ho kinga sy maranin-tsaina fa tsy ho voafitak’ireo ratsy fanahy sy ny ratsy fitondran-tena.
  2. Ny tiana ho lazaina dia fampitandremana amin’ny fiampangana miraikitra ao anatin’ny fo sy ny fiziriziriana amin’izany, fa izay miselana ao am-po kosa tsy miraiki-tapisaka, tsy ho terena aminy ny hitandrina izany.
  3. Fandrarana ireo antony mety mahatonga fisaraham-bazana sy fizarazarana eo amin'ny samy mpiara-belon'ny mpino silamo, toy ny fitsikilovana sy ny fialonana ary ny hafa tahaka izany.
  4. Ny didy mba hifampitondran'ny samy mpino toy ny mpirahalahy eo amin'ny torohevitra sy ny fitiavana.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية