1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?

عَنْ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ أَبِي لَيْلَى قَالَ: لَقِيَنِي كَعْبُ بْنُ عُجْرَةَ، فَقَالَ: أَلاَ أُهْدِي لَكَ هَدِيَّةً؟
إِنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ خَرَجَ عَلَيْنَا، فَقُلْنَا: يَا رَسُولَ اللَّهِ، قَدْ عَلِمْنَا كَيْفَ نُسَلِّمُ عَلَيْكَ، فَكَيْفَ نُصَلِّي عَلَيْكَ؟ قَالَ: «فَقُولُوا: اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا صَلَّيْتَ عَلَى آلِ إِبْرَاهِيمَ، إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ، اللَّهُمَّ بَارِكْ عَلَى مُحَمَّدٍ وَعَلَى آلِ مُحَمَّدٍ، كَمَا بَارَكْتَ عَلَى آلِ إِبْرَاهِيمَ، إِنَّكَ حَمِيدٌ مَجِيدٌ».

Tatitra azo avy tamin'i Abdor-Rahman bin abi Laila niteny hoe : Nifanena tamiko i Ka'b bin ojrah dia niteny manao hoe : Tsy homeko fanomezana va ianao?
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6357

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanara-diany ny fomba hoentin'izy ireo mangataka tso-drano ho azy? Taorian'ny nahaizan'izy ireo ny fomba fiarahabana azy hoe : “Ho aminao anie ny fiadanana ry Mpaminany ary ny famindram-po sy ny fahasoavan’i Allah...”? Ka nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo ny fomba ho ataon'izy ireo rehefa hangataka tso-drano ho azy sy ny dikan'izany: "Allahomma Soalli a'la Mohammadin Wa a'la a'li mohammad". Izany hoe : Dokafo izy amin'ny fitenenana tsara momba azy any amin'ireo Anjely akaiky anao, sy amin'ireo mpanaraka ny finoany, sy ireo mpino havany akaiky. "Kama soallaita a'la Ibrahima". Tahaka ny nanomezanao fahasoavana ho an'ny fianakavian'i Ibraham (A.S), dia i Abrahama sy Ismael ary Isaka ary ny taranany sy ireo mpino mpanaraka azy, dia tohizo izany fahasoavanao izany mankany any amin'i Mohammad (S.A.W). "Innaka Hamidoun Madjid". Izany hoe : Mendri-piderana ao amin’ny tenanao, ny toetoetranao sy ny fihetsikao, ary midadasika ny fahalehibiazanao sy ny fahefanao ary ny fahalalahan-tànanao. "Allahomma baarik à'la Mohammadin wa à'la à'li Mohammadin kama bà 'rakta à 'la Ibrahima". Izany hoe, omeo azy ny fahatsarana sy ny fahamendrehana lehibe indrindra, ary ampitomboy sy hamafiso izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ireo tany alohantsika (Salaf) dia nifanakalo hevitra amin'ny fahalalana.
  2. Voadidy tsy maintsy mivavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W) isika rehefa amin'ny tasahhod farany amin'ny Soalat.
  3. Nampianatra ny mpanara-diany amin'ny fiarahabana sy hivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W).
  4. Io teny io no teny feno indrindra handefasana vavaka amin'ny Mpaminany (S.A.W).

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية