1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عُمَرَ رضي الله عنهما قَالَ: كَانَ مِنْ دُعَاءِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«اللهُمَّ إِنِّي أَعُوذُ بِكَ مِنْ زَوَالِ نِعْمَتِكَ، وَتَحَوُّلِ عَافِيَتِكَ، وَفُجَاءَةِ نِقْمَتِكَ، وَجَمِيعِ سَخَطِكَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Bin Omar (R.A) niteny : Isan'ireo Doan nataon'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe :
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho amin'ny fanjavonan'ny fahasoavanao, ny fiovan'ny fahasalamana avy Aminao, ny fahatampohan'ny valifatinao, ary ny fahatezeranao rehetra.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2739

Ny fanazavana

Nitady fiarovana tamin'ny zavatra efatra i Mpaminany (S.A.W) :
Ny voalohany : (Allah ô, mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fanjavonan’ny fahasoavanao) na ara-pinoana na ara-piainana, ary tsy hivadika amin’ny finoana silamo ary hanalavitra ny filatsahana ao anaty fahotana izay manala ny fahasoavana.
Ny faharoa : (ary fiovan'ny fahasalamanao) amin'ny fanovana izany ho amin'ny fahoriana; mangataka Aminao aho mba hanana fahasalamana sy fiarovana amin'ny fanaintainana sy ny aretina.
Fahatelo : (ary ny fahatampohan'ny valifatinao) fahoriana na loza, ny sazy raha tonga tampoka sy tsy ampoizina, dia tsy hisy fotoana hibebahana sy hanitsiana azy, ary ho lehibe sy mafy kokoa ny iharan’izany.
Fahefatra : (sy ny fahatezeranao rehetra) sy ny anton'ny fahatezeranao; Izay olona mahatezitra anao dia diso fanantenana sy very.
Ary i nampiasa ny teny maro; Mba hampidirana ny anton’ny fahatezerany rehetra, amin’ny teny sy amin’ny asa ary amin’ny finoana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanetren-tenan'ny Mpaminany (S.A.W) manoloana an'I Allah.
  2. Tafiditra ao anatin’ity fangatahana fiarovana voatahy ity ny : fahombiazana eo amin’ny fisaorana noho ny fahasoavana, ary ny fiarovana amin’ny filatsahana amin’ny fahotana. Satria izy io dia manala fahasoavana.
  3. Fifikirana amin'ny fanalavirana ireo toerana mahatonga ny fahatezeran'I Allah.
  4. Fangataham-piarovana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny fahatampoan'ny fahatezeran’I Allah ilay Tsitoha. Satria raha mamaly faty an’ilay mpanompo Izy Allah, dia hisy fahoriana hanjo azy izay tsy ho voatosiny, ary tsy voatosin'ny zavaboary rehetra, na dia mitangorona avokoa aza izy rehetra.
  5. Fangataham-piarovana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'I Allah amin’ny fiovan’ny fahasalamany. Satria raha nosoavin'I Allah tamin'ny fahasalamany izy dia nahazo ny soa rehetra ho an'ny tontolo roa, fa raha miova aminy kosa izany, dia ho ory amin'ny soa eo amin'ny tontolo roa izy, fa ny fahasalamana dia mitondra soa ho an'ny olona amin'ny fivavahana sy ny eto an-tany.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية