1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao

عن عُمر بن أبي سلمة رضي الله عنه قال:
كُنْتُ غُلَامًا فِي حَجْرِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَكَانَتْ يَدِي تَطِيشُ فِي الصَّحْفَةِ، فَقَالَ لِي رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «يَا غُلَامُ، سَمِّ اللهَ، وَكُلْ بِيَمِينِكَ، وَكُلْ مِمَّا يَلِيكَ» فَمَا زَالَتْ تِلْكَ طِعْمَتِي بَعْدُ.

Tatitra azo avy tamin'i Omar bin Abi Salama (R.A), niteny izy manao hoe :
Zazalahy taizan'Irak'i Allah aho, ary nitsabatsabaka teo amin'ny vilia ny tànako, dia hoy ny irak'I Allah tamiko hoe : “Ry zazalahy, manonona ny anaran'I Allah, avy eo mihinana amin’ny tananao ankavanana, sy izay manoloana anao". Ary tahaka izany hatrany ny fihinanako taorian'izany.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5376

Ny fanazavana

Mitantara i Omar bin Abi Salamah (R.A) zanaky ny vadin'ny Mpaminany (SAW) Om Salamah (R.A) - izay teo ambany fitaizana sy fanarahamasony- fa teo am-pisakafoana izy, dia nanetsika ny tànany teo amin’ny sisin’ny vilia izy mba haka ny sakafo, ka nampianatra azy ireo fitsipika telo momba ny fihinanana ny Mpaminany (SAW) :
Ny voalohany amin'izany dia ny : fitenenana : “Bismillàhi" -amin’anaran’Allah- eo am-piandohan’ny sakafo.
Ny faharoa : Mihinana amin’ny tànana havanana.
Ny fahatelo : Mihinana eo amin'ny faritra akaiky amin'ilay sakafo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan’ny fomba fanao amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ny fanononana ny anaran'Allah eo am-piandohana.
  2. Fampianarana ireo fahalalam-pomba ho an' ny ankizy, indrindra fa ny ankizy izay eo ambany fiahian'ilay olona.
  3. Ny fahatsoran'ny Mpaminany (S.A.W) sy fivelaran'ny fony amin'ny fampianarana ireo ankizy sy fanabeazana azy ireo mba hahalala fomba.
  4. Anisan'ny fomba fanao amin'ny fisakafoanana ny mihinana amin'izay eo anoloany ny olona iray, afa-tsy hoe karazany maro samihafa ilay sakafo, ka amin'izany dia azony atao ny maka amin'izany.
  5. Ny mpiara-dia (Sahàbat) dia nifikitra tamin'ny fahalalam-pomba nampianarin'ny Mpaminany (S.A.W), azy ireo, ary izany dia azo tsoahina avy amin'ny tenin'i Omar manao hoe : Dia tahaka izany foana ny fomba fihinanako taorian'izany.

Fanehona ny dikanteny

61 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية