1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”

عَنْ مُعَاوِيَةَ الْقُشَيْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، مَا حَقُّ زَوْجَةِ أَحَدِنَا عَلَيْهِ؟، قَالَ: «أَنْ تُطْعِمَهَا إِذَا طَعِمْتَ، وَتَكْسُوَهَا إِذَا اكْتَسَيْتَ، أَوِ اكْتَسَبْتَ، وَلَا تَضْرِبِ الْوَجْهَ، وَلَا تُقَبِّحْ، وَلَا تَهْجُرْ إِلَّا فِي الْبَيْتِ»

Tatitra azo avy tmin'i Moawiyah Al-Qoshayri (R.A) niteny :
Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”.

Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad Sonan Abo Daòd - 2142

Ny fanazavana

Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no zon'ny vehivavy amin'ny vadiny? Dia nitanisa i Mpaminany (S.A.W) ka anisan'izany ny hoe :
Voalohany : Aza manokana ny tenanao amin'ny sakafo tsy misy azy; Omeo sakafo kosa izy isaky ny mihinana ianao.
Faharoa : Aza manokana ny tenanao amin’ny fitafiana sy ny lamba, fa ampitafio kosa izy raha toa ka mitafy ianao, ary raha mahazo vola ianao ka afaka manao izany.
Fahatelo : Tsy tokony ho kapohina izy afa-tsy noho ny antony sy ny filana, raha ilaina ny kapoka noho ny fanitsiana na noho ny tsy firaharahiana ny adidy sasany, dia ho kapoka tsy mampaninona izy, fa tsy kapohina amin'ny tarehy; Satria ny tarehy no ampahany lehibe indrindra sy hita maso ary misy faritra mendri-kaja sy malefaka.
Fahefatra : Aza manozona na miteny hoe : Hataon’I Allah ratsy tarehy anie ny tavanao. Aza milaza azy ho ratsy na inona na inona ao amin'ny vatany, izay mifanohitra amin'ny hatsaran-tarehy. Satria Allah ilay Tsitoha no namolavola ny tarehiny sy ny tenan’ny olombelona, ​​ary nanatsara ny zavatra noforoniny, ary ny fanakianana ny zavaboary dia midika ho fanakianana ny Mpahary, sanatria anie izany.
Fahadimy : Aza ilaozana izy afa-tsy eo am-pandriany, aza miala aminy, ary aza mifindra any an-trano hafa. Izany angamba no mitranga matetika amin'ny fisarahana eo amin'ny mpivady.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fitiavan'ireo mpanara_dia ny hahafantatra ny zo tokony hataony ho an'ny hafa, sy ny hahafantatra ny zo nananany.
  2. Voadidy ny miantoka ny vehivavy sy ny fampitafiana azy ary fanomezana azy fonenana mendrika.
  3. Fandrarana ny faharatsiana ara-moraly sy ara-batana.
  4. Isan'ny fanaratsiana voarara dia ny filazana hoe : Avy amin'ny foko ratsy ianao, na avy amin'ny fianakaviana ratsy, na zavatra mitovy amin'izany.

Fanehona ny dikanteny

48 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية