1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”

عن عبد الله بن عمرو بن العاص رضي الله عنهما:
عن النبي صلى الله عليه وسلم أنه كان إذا دخل المسجد قال: «أعوذ بالله العظيم، وبوجهه الكريم، وسلطانه القديم، من الشيطان الرَّجِيم»، قال: أَقَطُّ؟ قلت: نعم، قال: فإذا قال ذلك قال الشيطان: حُفِظَ منِّي سائر اليوم.

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin 'Asi (R.A) :
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.

Tsara Notantarain'i Abo Daòd Sonan Abo Daòd - 466

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) rehefa miditra ny moske dia miteny manao hoe : (Ao'zo billàhil-Azhìm) Mila fiarovana sy mialokaloka amin’i Allah sy ireo Toetoetrany aho (Wa biwajhihil-karìm) sy amin'Ilay tavany be voninahitra, (Wasoltwanihi) sy amin'ny fanjakany, ny fandreseny, ny heriny, ny fahefany izay tiany atao amin’ny zavaboariny. (Al-kadìm) Hatrizay Mandrakizay (Minas-shaitoànir-rajìm) manoloana ilay devoly izay noroahina sy nalavirina tamin’ny famindram-pon’I Allah. Izany hoe : Allah ô! Arovy aho amin’ny bitsikany, ny fakam-panahiny, ny dingany, ny loza azo aminy, ny fitalahoany ary ny fahaverezany, fa izy no antom-pahaverezana sy manosika any amin'ny fakam-panahy sy ny habadoana. Nisy nilaza tamin'i Abdollah bin Amr hoe : "Izay ihany" Izany hoe : izao ihany ve no nolazain'ny Mpaminany (S.A.W)? Hoy izy: Eny.
Raha ny miditra ao amin'ny moske miteny izao Doan izao; dia hoy ny Satana hoe : Niaro ny tenany tsy ho eo ambany fahefako ilay niditra amin'ny fotoany rehetra, na androny sy ny aliny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasarobidin'ny Doan amin'io tonom_bavaka io rehefa miditra ao amin'ny moske, ary izy io miaro izay miteny azy manoloana ny Satana amin'ny androny sisa.
  2. Fampitandremana amin'i Satana, ary izy dia tsy mitsahatra manara_maso akaiky ny mpino Silamo; amin'ny famitahana sy famerezana azy.
  3. Ny olona iray dia ho voaaro amin’ny fameriverezan’i Satana sy ny fitakany, arakaraka ny ezakan'ny fony eo amin'ny finoana an'I Allah, sy ny fahatsiarovana io doan io, sy ny finoana izay voalaza ao aminy araka ny fampanantenan'I Allah ao aminy.

Fanehona ny dikanteny

53 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية