عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضي الله عنها أَنَّهَا قَالَتْ:
إِنَّ أُمَّ حَبِيبَةَ بِنْتَ جَحْشٍ الَّتِي كَانَتْ تَحْتَ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ عَوْفٍ شَكَتْ إِلَى رَسُولِ اللهِ صلى الله عليه وسلم الدَّمَ، فَقَالَ لَهَا: «امْكُثِي قَدْرَ مَا كَانَتْ تَحْبِسُكِ حَيْضَتُكِ، ثُمَّ اغْتَسِلِي». فَكَانَتْ تَغْتَسِلُ عِنْدَ كُلِّ صَلَاةٍ.

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Nitaraina tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) i Omm Habibah binti Jahsh, izay teo ambany fiahian'i Abd al-Rahman bin Awf, momba ny rà, dia niteny izy (S.A.W) : "Mijanòna ianao mandritra ny fe-potoan'ny fadim-bolanao, avy eo dia mandroa.” dia nisasa izy isaky ny hivavaka.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 334

Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny iray tamin'ireo vehivavy mpiara-dia taminy fa nandeha rà tsy an-kijanona izy. Dia nasainy nitsahatra tsy nanao Soalat izy raha mbola ao anatin'ny fadim-bolana talohan'ny nahatongavan'io zava-baovao io aminy, avy eo dia mandro sy mivavaka izy, ka tamin'izany izy dia nandro an-tsitrapo isaky ny hanao Soalat.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Istihàdah : dia fitohizan'ny rà eo amin'ny vehivavy aorian'ny fadim-bolana mahazatra.
  2. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia mihevitra ny tenany ho tonga fadim-bolana mandritra ny isan'ireo andro naharetan'ny fadim-bolana, talohan'ny nahavoa azy ny istihàdah.
  3. Raha lasa ny isan'ny andro nahazatra azy tany am-boalohany, dia heverina ho madio amin'ny fadimbolana izy - na dia nisy rà istihàdah niaraka taminy aza - noho izany dia mandro izy aorian'ny fadimbolana.
  4. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia tsy voatery manao fandroana (manao ghosl) isaky ny mivavaka; Satria ny fandrona nataony dia noho ny ezaka nataony fotsiny, ary raha tsy maintsy natao izany, dia nanazava izany taminy ny irak'Allah.
  5. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia tsy maintsy manao ouzò isaky ny mivavaka. Satria maharitra sy tsy mitsahatra ny fisehoany, ary toy izany koa ho an’ny olona rehetra izay maharitra, toy ny olona voan’ny aretina mamany lava, na ny fivoahan'ny rivotra mifampitohy.
  6. Tokony hanontany ireo manam-pahaizana amin'izay manahirana amin'ny resaka finoana, satria nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ity vehivavy ity, ary nanontany azy momba ny rà be loatra izay mampahory azy.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية