1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”

عَنْ عَمْرِو بْنُ سُلَيْمٍ الأَنْصَارِيُّ قَالَ: أَشْهَدُ عَلَى أَبِي سَعِيدٍ قَالَ: أَشْهَدُ عَلَى رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«الغُسْلُ يَوْمَ الجُمُعَةِ وَاجِبٌ عَلَى كُلِّ مُحْتَلِمٍ، وَأَنْ يَسْتَنَّ، وَأَنْ يَمَسَّ طِيبًا إِنْ وَجَدَ».

Tatitra azo avy tamin'i Amr bin Salim Al-Ansari niteny hoe : Mijoro ho vavolombelona amin'i Abo Saì'd aho fa niteny izy : Mijoro ho vavolombelona aho fa niteny ny Mpaminany (S.A.W) :
“Voadidy amin'ny olona ampy taona ny mandro amin’ny andro zoma, ary tsaratsara raha mampiasa ranomanitra raha misy”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 880

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fandroana amin'ny andro zoma dia tsy maintsy ho an'ny lehilahy mpino silamo ampy taona rehetra izay voadidy hanatrika ny Soalat zoma. Ary hanadio ny nifiny amin'ny siwàk sy ny toy izany. Ary manao manimanitra amin'izay fofona manitra tsara.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Nohamafisina fa tsara ho an’ny lehilahy mpino silamo ampy taona rehetra ny mandro amin'ny andro zoma.
  2. Ny fahadiovana sy ny fanesorana ny fofona maimbo dia takian'ny lalàna silamo ho amin'ny mpino silamo.
  3. Fanomezam-boninahitra ny andro Zoma, ary fiomanana amin’izany.
  4. Hamafisina fa tsara ny mampiasa siwàk amin'ny Zoma.
  5. Tsara ny manao manimanitra amin'ireo Karazany zava-manitra rehetra alohan'ny handehanana hivavaka zoma.
  6. Raha misy vehivavy mivoaka ny tranony mba hivavaka na hanao zavatra hafa, dia tsy mahazo manao ranomanitra Satria ny Sonnah dia milaza fa voarara izany.
  7. Ny lehibe dia izay ampy taona, ary ny fahampina taona dia miseho amin'ny alàlan'ny famantarana, ka ny telo amin'izy ireo dia iraisan'ny lehilahy sy ny vehivavy, dia ny voalohany : fahafenoan'ny taona faha dimy ambin'ny folo, ny faharoa : Raha misy volo manjavozavo maniry manodidina ny taovam-pananahana, ary ny fahatelo : ny tsirinaina mivoaka amin'ny alalan'ny nofy na amin'ny alalan'ny faniriana, na dia tsy misy nofy aza. Ny famantarana faha efatra kosa dia natokana ho an'ny vehivavy, ary izany dia ny fadimbolana : Raha misy vehivavy tonga fotoana dia efa lasa ampy taona izy.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية